Helodranon' i Antongila

Ny Helodranon' Antongila, fantatra kokoa amin' ny anarana hoe Baie d'Antongil amin' ny teny frantsay, no helodrano lehibe indrindra eto Madagasikara. Io helodrano io dia ao amin' ny morontsiraka atsinanan' ny Nosy, any amin' ny farany avaratra amin' ny morontsiraka atsinanana. Ao anatin’ ny Ambatosoa izany.

Helodrano'i Antogila
Trozona ao amin' ny Helodranon' Antongila (Megaptera novaeangliae)

Mirefy 60 km eo ho eo ny lavany ary 30 km ny sakany. Mamorona ny sisiny atsinanan' ny helodrano ny saikinosy Masoala. Ny Nosy Mangabe sy ny tanànan' i Maroantsetra dia eo amin’ ny farany avaratr' ilay helodrano, ary ao akaikin’ ny toerana misy ny tanànan’ i Mananara Avaratra sy ny vavan’ ny reniranon’ i Mananara (Ambatosoa) kosa ny farany atsimon’ ny helodrano.

Jereo koa hanova