Simon Claude Mimouni

I Simon Claude Mimouni dia mpahay tantara, frantsay, manampahaizana manokana amin' ny sehatry ny tantaran' ny fivavahana, indrindra ny an' ny kristianisma sy ny tantaran' ny jodaisma tamin' ny Andro Taloha, manam-pahaizana momba ny Baiboly koa izy. Teraka tao Bône any Alzeria tamin' ny 26 Avrily 1949 izy.

Namoaka voalohany momba ny angano kristiana manodidina ny fampiakarana an' i Maria izy (1995, 2003), avy eo dia niasa momba ny sombintsombin' ny filazantsara jiosy-kristiana mifandray amin' ny sekta kristiana manaja ny lalàn' ny jodaisama tamin' ny taonjato faha-3 sy faha-4 (2006). Fanatatra izy tamin' ny rijan-keviny momba ny fitohizan' ny jodeô-kristianisma tany am-boalohany sy ny sekta nazôreana sy ebiônita tatỳ aoriana izy.