Fikomian' i Bar Kokhba

Ny fikomian' i Bar Kokhba, izay atao hoe Ady faharoa teo amin' ny Jiosy sy ny Rômana, no fikomiana faharoa nataon' ny Jiosy tao amin' ny faritanin' i Jodea (na Jodia) tamin' ny Empira Rômana, sady ady farany teo amin' ny Jiosy sy ny Rômana, izay nanomboka tamin' ny taona 132 ka tsy nifarana raha tsy tamin' ny taona 135. Atao amin' ny teny hebreo hoe מרד בר כוכבא / Mered Bar Kokhba izany ady izany. I Bar Kokhba no nitarika an' ilay ady.

Ny loharanom-baovao sasany dia milaza fa io no fikomiana fahatelo, raha isaina ny hotakotaka tamin' ny taona 115-117, izay fantatra amin' ny anarana hoe "Adin' i Kitôsy" (na "Adin' i Quietus"), izay nopotehin' ilay jeneraly rômana atao hoe Lusius Quietus, izay nanakana ireo fikomiana ireo tany Adiabena, tany Edesa ary tany Asiria, avy eo tany Siria sy tany Jodea (na Jodea).

Jereo koa hanova