Ny serfa mena na diera mena (Cervus elaphus) dia iray amin' ireo karazana serfa lehibe indrindra. Ny serfa mena dia mipetraka amin' ny ampahany be amin' i Eorôpa, any amin' ny faritr' i Kaokazy, any Anatôlia, any Iràna, ary any amin' ny faritra andrefana amin' i Azia. Izy io koa dia mipetraka any amin' ny Tendrombohitra Atlasy any Marôka sy any Tonizia, izay hany karazana serfa mipetraka any Afrika.

Serfa mena