Ny Pentarkia na Pentarsia dia fandaminana nisy teo amin' ny Fiangonana kristiana manodidina fiangonana dimy entina patriarka tao amin' ny Empira Rômana: fandaminam-pitondram-piangonana notantanan' ny patriarka dimy: ny an' i Rôma, ny an' i Kônstantinôpla, ny an' i Aleksandria, ny an' i Antiôkia, ary ny an' i Jerosalema. Ny teny hoe pentarkia na pentarsia dia avy amin’ ny teny grika hoe πενταρχία / pentarkhía ("fitondran' olona dimy"), avy amin' ny hoe πέντε / pénte ("dimy") ary ἀρχία / arkhía ("fitondrana").

Ny Pentarkia tamin' ny taona 565.

Ny hevitra momba ny fampiasana ny fahefana maningana ampiasain' ny eveka ivelan' ny faritany rômana sahaniny dia efa nambara tao amin' ny triarkia ("fitondran' olona telo") tao amin' ny Kônsily voalohany tao Nikea (na Nisea), sy tao amin' ny tetrarkia ao amin' ny Kônsily voalohany tao Kônstantinôpla ary farany ao amin' ny Kônsily tao Kalkedôna (na Kalsedoana) izay namorona ny "Pentarkia" na "Pentarsia", tamin' ny fanaovana an' i Jerosalema ho toerana misy patriarka.

Hita voalohany tao amin' ny lalanan' ny emperora Jostiniano (527–565) tamin' ny taonjato fahenina io raikipohy io, izay nampiasa azy io mba handaminana ny Fiangonana kristiana mampianatra ny Trinite ao anatin' ny sehatry ny firaisana ara-pôlitikan' ny fanjakany, ary tatỳ aoriana tao amin' ny asan' ny Kônsily in Trullo (taonjato fahafito).

Ny Fiangonan' i Rôma dia tsy nanaiky io kônsily io ary nandà tsy hanaiky ny Pentarkia, nandà izay mety ho endriky ny fiamboniana ho an' i Kônstantinôpla, izay heverin' izy ireo ho tsy naorin' apôstôly, ary namolavola ekleziôlôjia izay nanome toerana afovoany an' i Rôma, izay lazaina fa naorin' ny apôstôly Petera.

Ny ady teo amin' ny eveka, ary indrindra ny fifandrafiana teo amin' i Rôma (izay nihevi-tena ho ambony indrindra amin' ny fiangonana rehetra) sy i Kônstantinôpla (izay lasa nifehy ny eveka tatsinanana hafa ary nihevitra ny tenany ho "mitovy" amin' i Rôma, nefa nihevi-tena ho "voalohany amin' ny mitovy") i Rôma, dia nanakana ny Pentarkia tsy ho tena manana fisiana ara-pitantanana.

Ny fifandirana teo amin' ny Atsinanana sy ny Andrefana, izay niafara tamin' ny fisarahan' ny Fiangonana Tatsinanana sy Tandrefana, ary ny fisandratan' ny metrôpôlitana sy ny patriarikata matanjaka sy mahaleo tena ivelan' ny Empira Bizantina any Bolgaria, ary taty aoriana tany Serbia, ary koa tany Rosia, dia nampihena ny tanjaky ny evesea imperialy taloha.

Amin' izao fotoana izao, ny evesean' i Rôma sy ny an' i Kônstantinôpla ihany no mbola manana fahefana amina Fiangonana kristiana lehibe iray manontolo, ny voalohany dia lohan' ny Eglizy Katôlika ary ny faharoa manana fahefana an' ohatra amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Tatsinanana.

Jereo koa hanova