Ny safeisma na safiisma dia iray amin' ny sekoly efatra (madhhab) amin' ny fandinihana didy zary lalàna (fiqh) ao amin' ny silamo sonita, izay mifototra amin' ny fampianaran' ny imam Ash-Shâfi'î (767-820) sy ny mpianany. Heverina ho marimaritra iraisana eo amin' ny hanafisma sy ny malikisma izany.

Ny Môske Al-Azhar, naorina tamin' ny taona 970, dia iray amin' ireo môske tranainy indrindra ao Kahira ary foiben' ny Oniversite al-Azhar.

Ny sekoly safeita dia miantehitra indrindra amin' ny Kor'any sy ny hadita mba hamaritana ny Sharia. Raha toa ka tsy mazava ny andinin-tsoratra masina ao amin' ny Kor'any sy ny hadita dia jereny aloha ny ijmâ' izay marimaritra iraisan' ny ulema (fiombonan' ny manam-pahaizana mozilmana). Raha tsy misy ny marimaritra iraisana, ny sekoly safeita dia mitady hevitra amin' ny fanakaran-kevitra (ijtihad) nataon' ny sahaba (mpiara-dia amin' ny mpaminany Mohamady), avy eo amin' ny fifanahafana (qiyâs).

I Bagdad (any Iràka) sy Kahira (ao Ejipta) no ivon' ny safiisma. Avy amin' ireo tanàna roa ireo no nielezan' ny fampianarana safeita tany amin' ny faritra samihafa ao amin' ny tontolo mozilmana. Tamin' ny taonjato faha-4 amin' ny tetiandro hijry, i Meka sy i Medina no ivon' ny sekoly safeita ivelan' i Ejipta.