Ny sabakisma dia finoana sy fanao ara-pivavahan' ny Sabaky ao amin' ny fizaràn-tany iadiana ao amin' ny tapany avaratr' i Iràka. Mihevitra ny tenany ho Mozilmana siita ny ankamaroan' ny Sabaky, nefa ny sasany kosa mihevi-tena ho Sonita. Na izany aza dia tsy sahala amin' ny silamo ny finoany sy ny fombafombany sady manana toetra mampiavaka azy amin' ny vahoaka mozilmana mpifanolo-bodirindrina aminy. Na eo aza izany dia manao fivahiniana masina any amin' ny tanàna masina siita toa an' i Najaf sy i Karbala izy ireo sady manaraka fampianarana maro avy amin' ny siisma. Heverina ho anisan' ny fivavahana abrahamika ny sabakisma.

Sabaky any Iràka

Manakambana singa avy amin' ny sofisma amin' ny fivoasana sabaky ny amin' ny "fisian' Andriamanitra marina" ny sabakisma. Araka ny Sabaky dia misolo ny fivosana ara-bakitenin' ny Kor'any izany fisiana marina izany, dia ny Sar'ia izany. Amin' ny alalan' ny fanelanelanan' ny "Pir" no ahazoan' ny Sabaky ny fisian' Andriamanitra marina. Sahala amin' ny an' ny iarsanisma ny firafitr' izany fifandraisana misy mpanelnelana izany.

Ny Buyruk na Kitab al-Managib ("Bokin' ny asa tsara atao ohatra") izay voasoratra amin' ny Torkômàna no boky forotra ao amin' ny sabakisma. Heverin' ny Sabaky ho voatsilon' Andriamanitra koa ny tononkalon' i Ismail, ka manonona ny tononkalon' i Ismail izy ireo mandritra ny fivoriam-pivavahana.

Jereo koa

hanova