Ny riandriana dia fitaovana vita amin' ny vy na tsỳ na ny fifangaroany, ampiasaina hanefena ny metaly eo amboniny, fisapisa-tampona, natao hametrahana ny zavatra hotefena izay kapohina amin' ny tantanana eo amboniny, indraindray misy lavaka vitsivitsy mitsangana boribory na efamira ho an' ny kojakojan' asa sasany na ho an' ny fanefena zavatra manokana. Miovaova ny habeny, arakaraka ny karazan' ny taozavatra atao, ka mety ho grama am-polony vitsivitsy izany (ho an' ny mpanamboatra famantaranandro na firavaka) ka hatramin' ny 400 kg mahery (ho an' ny mpanefy vy sy metaly hafa).

Mpanefy mampiasa riandriana

Jereo koa

hanova