Ravintoto sy henan-kisoa

Ny ravintoto dia ravi-mangahazo nototoina mba hatao laoka. Ny laingon' ny mangahazo no tena tsara sady tsy mangidy. Amin' ny fotoana fiavian' ny orana ka mampitsiry ny mangahazo no tena maha-betsaka azy. Matetika dia andrahoina miaraka amin' ny henan-kisoa na hen' omby matavy izy, na koa miaraka amin' ny voanjo, na farafaharatsiny asiana menaka fotsiny.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ravitoto

Ny fahandro ny ravintoto sy henan-kisoa

hanova

Andrahoina manokana ny ravitoto eo amin' ny ora 2 eo ho eo. Asiana sira kely. Ny ravi-mangahazo laingolaingony, ilay malefaka tsara iny, no totoina. Alaina ny henan-kisoa matavitavy tsara; atao mendimendy; avy eo andrahoina elaela kely asiana sira. Afangaro amin' izay ireo dia asiana tongolobe sy voatabia, rehefa akaiky ho masaka dia asiana tongolo gasy; atao mangotraka kely fotsiny dia aroso miaraka amin' ny vary fotsy sy lasary karaoty raha misy.

Jereo koa

hanova