Ny ravinala dia zavamaniry an-toetanin-jana-pehin-tany, ao amin' ny fianakaviana Strelitziaceae, avy eto Madagasikara. Atao hoe Ravenala madagascariensis ny anarana siantifikany. Be ranony, izay azo sotroina, io zavamaniry io.

Ravinala

Toetoetrany

hanova
 
Ravinala

Mitovitovy endrika amin' ny palmie izy. Mora amantarana azy avy lavitra ny haavony (izay mety mahatratra 20 m) sy ny endriny. Milahatra ka manome endrika toy ny fikopaka ny raviny. Iangonan' ny ranon' orana ny fotony izay miendrika kapoaka la ahafahan' ny moka manatody. Ao amin' izany rano izany koa dia ahitana karazan-javamanana aina toy ny bakteria sy ny bibikely. Lehibe sy miloko fotsy ny voniny, izay mirefy 15 hatramin' ny 20 sm, miseho amin' ny volana Septambra. Ny ramanavy, ny varikandrana no miatoka ny famindrana ny vovobony amin' ny vavimbony. Mitovy endrika amin' ny akondro ny voany izay ankafizin' ny vorona. Any amin' ny faritra atsinanana, izay mando, amin' i Madagasikara no ahitana betsaka ny ravinala. Haingam-paniry izy amin' ireo toerana nikapana na nandoroana ala.

Karazany

hanova

Misy karazany dimy izy io, dia:

  • ny Ravenala agatheae Haev. & Razanats.,
  • ny Ravenala blancii Haev., V. Jeannoda & A.Hladik,
  • ny Ravenala grandis Haev., Razanats, A.Hladik & P.Blanc,
  • ny Ravenala hladikorum Haev., Razanats., V. Jeannoda & P.Blanc,
  • ary ny Ravenala menahirana Haev. & Razanats.

Faritra ahitana azy

hanova

Ahitana azy koa ny any La Réunion, ny any Maorisy, ny ao amin' ny Tamba-nosin' i Kômôro (indrindra ao Mayotte), ny any Goiana, ny any Guadeloupe, ny any Martinique, ny any Kaledônia Vaovao, ny any Pôlinezia Frantsay, ary any amin' ny zaridainan' ny faritra an-toetanin-jana-pahin-tany (any Tailandy, any Kamerona, any Paragoay, sns) izay nampidirina avy aty Madagasikara, mba hanaovana haingon-tanàna. Zavamairy malaky mandrakotra loatra ny tany ny ravinala ao amin' ny nosy Maorisy, indrindra eny an-tendrombohitra.

Any amin' ny morontsiraka atsinanana amin' i Madagasikara, ampiasaina amin' ny fanamboaran-trano ny ravinala: ny tahony, atao hoe falafa, dia anamboarana ny rindrin-trano; ny raviny atao hoe raty dia anamboarana firakofana. Ny vatany no ahazoana ilay atao hoe rapaka, izay anamboarana ny gorodona.

Jereo koa

hanova