Fiangonana Pentekotista Mitambatra (Madagasikara)
(tonga teto avy amin'ny Pentekotista)
Ny Fiangonana Pentekotista Mitambatra dia antokom-pinoana kristiana eto Madagasikara izay sampan'ny United Pentecostal Church International. Araka io anarany io dia ao amin'ny firehana pentekotistan'ny sampana ara-pilazantsaran'ny kristianisma no misy azy. Ny misionera Chris Richardson mivady no nitarika azy. Ny tobin'io fiangonana io dia ao Ambohidratrimo Antananarivo, ary misy fivoriana isan-taona isaky ny voalohan'ny herinandron'ny volana Septambra, efa misy fiangonana manodidina ny 1000 eo ho eo eto Madagasikara, tahaka izany koa ireo mpitandrina, efa misy aman'alina ny mpino.
Jereo koa Hanova
Rohy ivelany Hanova
- "Les pionniers du pentecôtisme à Madagascar (3) : La famille Richardson", Le Blog de Bernard Boutter (3 juin 2015)