I Pedro Pablo Opeka na i Mômpera Pedro dia dia pretra katôlika lazarista arzantina-slôveniana, teraka tamin' ny 29 Jona 1948 tany Arjentina, manao asa misiônera eto Madagasikara. Izy no namorona ny Akamasoa izay toerana fanampiana ny olona mahantra ao Antananarivo, Madagasikara. Noho ny asa fikarakarany ny mahantra dia notoloran' ny praiminisitra slôveniaa teo aloha Janez Janša sy ny filoha frantsay Emmanuel Macron ny Ordre national de la Légion d'honneur izy.

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Pedro Opeka (2009)

Teto Madagasikara

hanova

Tao Vangaindrano

hanova

Tamin' ny taona 1975 dia niverina teto Madagasikara ho pretra tao amin' ny paroasy Vangaindrano i Mômpera Pedro. Nandritra ny efatra ambin' ny folo taona no nanatanterahany izany fanompoany izany. Lasa ady nataony isan' andro ny ady amin’ ny fahantrana. Tao Vangaindran dia niezaka nandresy lahatra ny Malagasy namany i Mômpera Pedro fa azo atao ny mamokatra vary indroa isan-taona fa tsy indray mandeha fotsiny araka ny fomban-drazana.

Tamin' ny Marsa 1989 dia voatendry ho talen' ny sekolin' ny Lazarista tao an-drenivohitra malagasy izy, mba hampiofanana ny frera tanora tao amin' io kôngregasiôna io.

Famoronana an' i Akamasoa

hanova
 
Mômpera Pedro nandritra ny lamesa fankalazana ny faha-25 taonan' i Akamasoa (19 Ôktôbra 2014).

Nanaitra an' i Mômpera Pedro ny setroka fotsy miakatra eo amin' ny faritra avo amin' Antananarivo. Tamine' ny volana Mey 1989 dia nandeha niaraka tamin' ny tanora seminarista nankeny an-kavoana izy. Tao no nahitany vehivavy sy lehilahy ary ankizy nirenireny sy nikaroka zavatra tamin' ny tanana teny amin' ny fanariam-pakon' Andralanitra, tokony ho 10 km atsinanan' ny renivohitra, niaraka amin' ny alika sy ny kisoa, niandry ny hahatongavan' ny fiara mpanary fako. Enim-bolana ny fifampidinihana izay nandresen-dahatra ireto fianakaviana miaina anaty fako ireto mba hitolona ho an' ny hoavin' ny zanany. Fianakaviana 70 no resilahatra ny handao ilay fanariam-pako ka hamorona tanàna vaovao eo amin' ny tany be vato 7 km miala ny an' Antananarivo, natolotry ny manam-pahefana azy hampiasainy.

Tamin' ny Desambra 1989, talohan' ny Noely dia nanangana fikambanana miaraka amin' ny namany malagasy i Mômpera Pedro, izay nomeny anarana amin' ny teny malagasy hoe Akamasoa, izany hoe "namana azo itokisana sy tso-po". Ny didim-panjakana tamin' ny Febroary 2004 no nankatoavan' fanjakana malagasy ny maha zavatrailain' ny besinimaro ny fanomezan-danja ny asa fanasoavana ny vahoaka ao Akamasoa. Ny tanjony dia ny famerenana ny hasina maha olombelona ho an' ny vahoaka mahantra faraidiny avy eny an-dalambe, amin' ny alalan' ny fananganana trano fonenana mendrika, sy ny tsy maintsy hidiran' ny ankizy an-tsekoly, ary ny fampanana asa ahazoana karama hatramin' ny nananganana an' ilay fikambanana.

Akamasoa tamin' ny taona 2018

hanova
 
Iray amin' ny tanànan' i Akamasoa naorina ho an' ny mahantra indrindra.

Hatramin' ny nananganana azy dia maherin' ny 500 000 ny olona sahirana efa nahazo tombontsoa tamin' ny fanampian' ilay fikambanana. Nankalaza ny faha-30 taona nijoroany ny fikambanana Akamasoa tamin' ny 29 Septambra 2019. Tamin' ny taona 2017 dia 17 839 ny mpahazo tombontsoa maharitra, izany hoe fianakaviana 3 343 tamin' ny tanàna kely miisa 18 naoriny ary nandray fianakaviana vaovao miisa 77. Ankoatra izay dia fianakaviana 479 avy ivelany ihany koa no misitraka ny fanampiany. Io fikambanana io koa dia manome fanampiana vonjy taitra: fanampiana ara-tsakafo, fikarakarana ara-pahasalamana, zavatra momba ny fidiovana, fitafiana ary lamba firakotra ho an' ny mahantra tonga eny amin' ny foibe fandraisana.

Trano sy efitrano fonenana miisa 3 038 no voaorin' ny Akamasoa hatramin' izao, efitrano fianarana miisa 324 ho an' ny sekoly vaovao manodidina ny telopolo, toeram-pitsaboana telo, biraon' ny mpitsabo nify iray, trano famakiam-boky maromaro, kianja filalaovana baolina kitra na basikety amin' ny tanàna naorina rehetra, ao akoa ny fasana sy ny trano fidiovana.

Ankizy 13 987 no niditra an-tsekoly tamin' ny taona 2017-2018, manomboka amin' ny akanin-jaza ka hatramin' ny kilasy famaranana, ao amin' ny sekoly ambaratonga fototra 6 sy sekoly ambaratonga faharoa 4 ary lisea 2, izay misy mpampianatra miisa 464, nampian' ny mpiasehatra amin' ny fanampiana ana-tsôsialy miisa 70. Ary isan-taona dia mamboly hazo eo anelanelan' ny 20 000 sy 30 000 manodidina ny tanàna ny mpikambana ao amin' ny Akamasoa, indrindra fa ny ankizy, ka mandray anjara amin' ny famerenana ny ala simba noho doro tanety izay natao an-tsitrapo ny ankamaroany, araka ny fomba nentim-paharazana momba ny fiompiana.

Manome karama ho an' ny olona maherin' ny 3 070 ihany koa ny fikambanana Akamasoa (toeram-pitrandrahana granita, fanamboarana biriky, fanamboarana rarivato, arabe anaty tanàna sy lalana, fanamboarana trano, fandrafetana fanaka, fandrafetana trano, fanaganana mampiasa metaly, mekanika, sakafo sy trano fisakafoanana, fikarakarana voninkazo, fanadiovana, zavakanto asa tanana, mpiasa amin' ny fahasalamana, mpampianatra, sefom-pokontany, mpitantam-pananana, famokarana spirolinnia, sns) any amin' ny toerana samihafa eto Madagasikara.

 
Ireo tranon' i Mômpera Pedro, eny Ilafy, Antananarivo, Madagasikara

Nandritra ny taona maro dia niara-niasa tamn' ny tamin’ ny ekipan' ny manam-pahaizana malagasy miisa 460 i Mômpera Pedro, izy ireo dia miasa ho an' ny fampandrosoana an' ilay fikambanana. Isaky ny Alahady maraina dia eo amin' ny 7 000 ka hatramin' ny 9 000 eo ho eo no mandray anjara amin' ny lamesa karakarain' i Mompera Pedro, ao amin' ny tanànan' i Akamasoa eo amin' ny kianja Manantenasoa (8 km atsinanan' Antananarivo).

Boky nosoratany

hanova
  • Père Pedro, Combattant de l'espérance : autobiographie d'un insurgé, Paris, Jean-Claude Lattès, 6 avril 2005, 285 p.
  • Père Pedro, Le Cri des pauvres, ne pas se dérober, Balland, mai 2015
  • Père Pedro, Journal de combat : Missionnaire à Madagascar, Paris, Jean-Claude Lattès, 7 octobre 2010, 212 p., Pocket (ISBN 978-2-266-18864-7)
  • Père Pedro et Pierre Lunel, Insurgez-vous, Éditions du Rocher 2017
  • Père Pedro et Pierre Lunel Père Pedro, Prophète des bidonvilles, Éditions du Rocher, avril 2013
  • Père Pedro et Pierre Lunel (photographies Rijasolo), La Cité d'espérance, Éditions du Rocher oct. 2018
  • Père Pédro et Pierre Lunel (préf. Yann Arthus-Bertrand), Insurgez-vous, Paris, Litos, 6 mars 2024, 144 p., Poche

Jereo koa

hanova