Alika
Ny alika[1] na amboa dia biby mampinono, mihinana hena, ao amin' ny fianakaviana Canidae. Canis familiaris na Canis lupus familiaris ny anarny ara-tsiansa. Izy io no endrika ompiana amin' ny lopa volondavenona (Canis lupus), anisany koa ny dingô, izay niverina ho biby miaina anaty ala (bibidia). Fiompy ny alika ary lazaina fa anisan' ny tena namana akaiky ny olombelona. Vovò no filaza ny feony.


Ny lopa no karazana biby voalohany voafolaky ny olombelona ho azo hompiana mba hoenti-mihaza tamin' ny Paleôlitika, izay tsy nahafehy na ny fambolena na ny fiompiana. Nihasamy hafa ara-pototarazo amin' ny amin' ny lopa volondavenona ny taranaky ny alika tamin' ny manodidina ny 100 000 taona lasa izay, ary ny sisan-taolana tranainy indrindra voamarina amin' ny tarihan' ny alika ankehitriny dia velona tany amn' ny 12 000 na 33 000 taona, arakaraka ny filazan' ny loharano samihafa. Hatramin' ny vanim-potoana talohan' ny Tantara dia nanaraka ny olombelona nandritra ny vanim-potoana nanombohany niorim-ponenana ny alika, vanim-potoana nipoiran' ny sivilizasiôna voalohan' ny fambolena. Tamin' izany fotoana izany no nahazoan' ny alika ny fahafaha-mandevona ny tavolo (hidrôetilamidôna), ary nitombo isa ny anjara asany amin' ny maha mpanampy ny Homo sapiens. Ireo anjara asa vaovao ireo dia nampitombo isa ny fanavahana ny zana-karazana sy ny fipoirana tsikelikelin' ny karazan' alika azo fantarina. Ankehitriny dia ampiasaina na atao namana ny alika. Atao hoe "naman' ny olombelona tsara indrindra" izy ireo noho ny mivondrona hoazy sy ny namolahana azy ho fiompy taloha indrindra ary noho ny toetrany mampiavaka azy.
Io toerana manokana misy azy eo amin' ny fiarahamonin' ny olombelona io dia nitarika ho amin' ny famolavolana fitsipi-dalàna manokana. Ohatra, raha ekena ho ara-dalàna ny fepetran' ny Federasiôna Iraisam-Pirenena momba ny Alika (frantsay: Fédération Cynologique Internationale), ny filazaha hoe "alika madio karazana" dia feperan' ny fanoratana ny alika ao amin' ny bokim-piavian' ny firenena nahaterahany. Miankina amin' ny firenena tsirairay, dia mety tsy maintsy atao ny fanaovana vaksiny, ary ny karazana alika sasany, izay heverina ho mampidi-doza, dia iharan' ny fameperana. Amin' ny ankapobeny dia iharan' ny lalàna isan-karazany mifehy ny biby fiompy mpihinan-kena ny alika. Izany indrindra no mitranga ao Eorôpa, izay manamora ny fifamoivoizan' ny alika noho ny namoronana ny pasipaoro eorôpeana ho an' ny biby fanao namana.
Ohabolana
hanova- Akanga maro tsy vakin' amboa.
- Alika manerona ka miaro ny tsy ho an' ny tenany.
- Toy ny amboa miandry embok' akondro: andrasan-tsy latsaka, ilaozana toa hena.
- Andevolahy maty hariva, ka vovon' alika no anjara tafondrony.
- Dia varotra alika va iny, ka hifanerena?
- Aza atao ohatra ny aretin' alika, ka vitan-delaka ihany.
- Aza atao fihavanan' alika, ka taolana iray no isarahana.
- Aza manao tokin-dreniondry: enjehin' alika vao mibahana.
- Aza manendry tena ohatra ny alika ho any an-tsena.
- Te hoderain' ny amboa, ka mikiky taolan-tsy misy hena.
- Manao fahantitr' alika, any an-tehezany no mikipaka aloha.
- Fisoitra afom-bavy antitra: hita alika, kapohina; mandroatra ny vary, haroina aminy indray.
- Katro-doha anjaran' ny ondry, kaikitra fanaon' ny alika, teny soa fanaon' ny hendry.
- Kibobo sy alika mahay mihaza ka tsy avelan' ny vodi-ahitra tsy hihaona.
- Maniry hanina an-tenda, hoatry ny amboa miambozon-koditra.
- Miala maina toy ny mandevina amboa.
- Mpamosavy novovozin' ny alika: ho azy ihany no farany.
- Ny alika jamban' ny taolana, ny olona jamban' ny vola.
- Tsy misy be aina noho ny alika, fa raha voky ran-kena, mandry ilalana.
- Ny nenina tsy mba roahina eo aloha, tahaka ny ondry; fa avy manaraka tahaka ny alika.
- Raha ny hazakazaka no nahazoan-karena, dia nanam-be ny alika.
- Tsy azon' ny olona ny lambo, raha tsy ny alika.