I Ninurta na Ninĝirsu na Ninib dia andriamanitra mesôpôtamiana fahiny mifandray amin' ny fambolena, ny fanasitranana, ny fihazana, ny lalàna, ny mpanao dikasoratra ary ny ady, izay nivavahana voalohany tany Somera. Ao amin' ny firaketana voalohany indrindra dia andriamanitry ny fambolena sy ny fanasitranana izy, izay manasitrana ny olona amin' ny aretina sy manafaka azy ireo amin' ny herin' ny demony. Tatỳ aoriana, rehefa nitombo ny miaramila tao Mesôpôtamia dia lasa andriamanitra mpiady izy, na dia nihazona ny ankamaroan' ny toetrany teo aloha momba ny fambolena aza. Atao hoe zanaky ny lehiben' ny andriamanitra Enlil izy ary ny foiben' ny fivavahana lehibe indrindra any Somera dia ny tempolin' i Eshmesha ao Nippur. Nohajain' ny mpanjaka Gudea tao Lagas i Ninĝirsu, mpanjaka izay nanjaka teo anemanelan' ny taona 2144 sy 2124 tal JK, izay nanorina indray ny tempolin' i Ninĝirsu tao Lagash. Lasa tian' ny Asiriana i Ninurta tatỳ aoriana, satria mpiady mahery. Ny mpanjaka asriana Ashurnasirpal II (nanjaka 883–859 tal JK) dia nanorina tempoly goavana ho azy tao Kalhu, izay lasa foibem-pivavahana lehibe indrindra ho azy nanomboka teo.

Sarin' ny andriamanitra Ninurta

Ao amin' ny tononkalo malaza Lugal-e, i Ninurta dia namono ny demony Asag tamin' ny fampiasana ny fively miteny atao hoe Sharur ary nampiasa vato hanamboarana ny ony Tigrisy sy Eofrata mba hahatonga azy ireo hampiasaina amin' ny fitarihan-drano hanondrahana. Ao amin' ny tononkalo iray antsoina indraindray hoe "Geōrgiká Someriana", i Ninurta dia manome torohevitra momba ny fambolena ho an' ny tantsaha. Ao amin' ny fedrà akadiana dia tompondaka teo amin' ny andriamanitra nanohitra ny vorona Anzû taorian' ny nangalarany ny "Takela-tanimangan' ny Vintana" tamin' ny rainy Enlil izy, ary ao amin' ny fedrà izay resahina ao amin' ny asasoratra maro nefa tsy voatahiry tanteraka, dia namono andiana mpiady izy. fantatra amin' ny anarana hoe "Mahery fo voavono". Ny mari-pamantarana lehibe indrindra natokana ho azy dia vorona milingilingy sy angadinomby.

Misy soso-kevitra milaza fa i Ninurta no nahazoan' i Nimrod aingam-panahy, ho "mpihaza mahery", izay voatonona miaraka amin' i Kalhu ao amin' ny Bokin' ny Genesisy, na dia niadian-kevitra aza izany hevitra izany. Mety voatonona ao amin' ny Boky faharoan' ny Mpanjaka amin' ny anarana hoe Nisroka koa izy.