Neerlandey (vahoaka)

Ny Neerlandey na Vahoaka Nederlandey, araka ny lalàna neerlandey sy ny lalàna iraisam-pirenena, dia olom-pirenena sy teratany ao amin' ny Fanjakan' i Nederlandy, izay firenena any Eorôpa Andrefana, na inona na inona fiaviany sy fiteniny; anisan' izany ny Frisiana na Frisôna. Amin' ny teny neerlandey izy ireo dia atao hoe Nederlanders na Nederlandse mensen. Indraindray koa izy ireo no antsoina hoe Hôlandey. Amin' ny teny anglisy izy ireo dia ata hoe Dutch people fa amin' ny teny frantsay kosa dia Neerlandais. Ara-poko, ny Neerlandey dia vahoaka teratany any Nederlandy sy any Flandres belza na frantsay, miteny neerlandey. Mitovy kolontsaina ny Neerlandry ara-poko sady misy any am-pielezana any amin' ny kôntinenta rehetra, vokatry ny fanjanahantany eorôpeana, indrindra any Sorinama, Sily, any Brezila, any Kanada, any Aostralia, ao Afrika Atsimo, any Zelandy Vaovao ary any Etazonia.

Ny zavakanto sy ny kolontsaina neerlandey dia ahitana karazana mozika, sary hoso-doko, maritrano ary lamaodin' akanjo, ny sasany amin' ny mpanakanto, toa an' i Rembrandt van Rijn, i Vincent van Gogh, i Johannes Vermeer ary i Jacob van Campen dia fantatra maneran-tany .

Ny Neerlandey dia Kristiana taloha (Katôlika sy Prôtestanta),amin' izao fotoana izao anefa dia vitsy anisa ny mbola manaraka io fivavahana io. Ny ampahany manan-danja amin' ny mponina dia mandalana ny maha-olona (homanisma), manaraka ​​​​ny agnôstisisma, ny tsy finoana an' Andriamanitra (ateisma) ary ny fiolonolonana (individoalisma). Nandritra ny Andro Antenatenany, tany akaikin' ny sisin-tany frantsay sy ny an' ny Empira Rômana Masina i Nederlandy, ka anisan' ny faritra nanjakazakan' izy ireo. Tany amin' ny taonjato faha-13 no nanjary nizaka tena tsy ara-dalàna ny fizaràn-tany samihafa nandrafitra azy ireo.

Teo ambaniny fanapahan' ny fianakaviana Habsburg, i Nederlandy dia natsangana ho vondrona ara-pitantanana tokana ary tamin' ny taonjato faha-16 sy faha-17, ny tapany avaratra amin' ilay firenena dia nahaleo tena avy amin' ny Fanjakan' i Espaina ary niforonan' ny Repoblikan' ny Faritany Mitambatra (frantsay: République des Provinces-Unies; neerlandey; Republiek der Zeven Verenigde Nederlanden). Ny haavon' ny fandaminana ny tanàn-dehiben' i Nederlandy dia tratra efa tany taloha. Nanomboka tamin' ny andron' ny Repoblika ny onjam-pifindra-monina lehibe voalohany nankany ivelan' i Eorôpa.

Jereo koa

hanova