Nag Hammadi
I Nag Hammadi dia tanàna ao Ejipta Ambony. Tany am-boalohany, tany Ejipta nofehezin' ny Grika, dia nantsoina amin' ny teny grika hoe Χηνοβόσκιον / Khênoboskion, izay midika hoe "saha fiandrasan-gisa" izy. Any amin' ny morony havia amin' ny ony Nily (na Neily) no misy azy, 80 km avaratra-andrefan' i Luxor, ary misy mponina 40 000 eo ho eo, ary Kôpta ny 75 % amin' izy ireo.
Faritra fambolena i Nag Hammadi izay nametrahana orinasa lehibe fanodinana fary. Miorina eo akaiky ihany koa ny orinasa lehibe mpamokatra viraty (Aluminium City). Mitondra ny anaran' ny olo-malaza iray tao aminy ity tanàna ity, ho fanomezam-boninahitra azy, dia i Mahmoud Pasha Hammadi, izay nanangana azy io mba handraisana ny mpitsoa-ponenana noroahin' ny fibodoan-tany nataon' ny Britanika.
Hatramin' ny nahavelon' ny fifanolanana islamista indray any Atsinanana Afovoany, dia lasibatry ny fanafihan' ny mpampihorohoro tsy tapaka ny fiangonana kôpta ao amin' io faritra, noho ny maha zava-dehibe azy ara-tandindona. Ny farany, fantatra amin' ny anarana hoe "Famonoana tao Nag Hammadi", dia niseho tamin' ny Janoary 2010.