Ny fampihorohoroana na terôrisma dia fampiasana tsy ara-dalàna ny herisetra mba hisian' ny tahotra sy tsy fandriam-pahalemana eo amin' ny fiarahamonina na eo amin' ny fitondram-panjakana mba hanatrarana tanjona ara-potokevitra (ideôlôjia), ara-pôlitika na ara-pivavahana.

Maro isan-karazany ny fikambanana ara-pôlitika na ara-tsôsialy mety mampiasa ny fampihorohoroana mba hanatrarana tanjona. Ny olona manao asa fampihorohoroana dia antsoina hoe mpampihorohoro na terôrista.

Ny famaritana hita matetika dia ny fampihorohoroana manondro herisetra izay atao mba hamorona ny tahotra sy horohoro, atao hanatrarana tanjona ara-pivavahana, ara-pôlitika, na ara-potokevitra ( ideôlôjia), ary mikendry ny sivily. Ny fampiasana ny tetika toy izany koa amin' ny alalan' ny andian-jiolahy mpanao heloka bevava dia matetika tsy antsoina hoe fampihorohoroana, fa azo antsoina hoe asa fampihorohoroana raha atao noho ny antony ara-pôlitika.

Misy famaritanana 100 mahery ny "fampihorohoroana". Amin' ny tranga sasany, ny vondrona iray ihany dia mety holazaina fa "mpiady ho an' ny fahafahana" araka ny hevitry ny mpanohana, na heverina ho mpampihorohoro araka ny hevitry ny mpanohitra. Ny famaritana maro momba ny fampihorohoroana dia miovaova: ny fampiasana herisetra, ny teknika ampiasaina, ny mpanao azy (ankoatra ny fampihorohoroana ataon' ny fanjakana), ny fampiasana ny tahotra, ny lentan' ny fandaminana, ny foto-kevitra (ideôlôjia), sns. Amin' ny famaritana maro dia tafiditra ao anatin' ny mason-tsivana ny niharan' ny fampihorohoroana (sivily, tsy misy fiadiana, tsy manan-tsiny, fanafihana ny firenena demôkratika izay namela ny mpampihorohoro haneho hevitra ara-dalàna). Ny foto-kevitra fampihorohoroana dia mety ho resabe. Ny teny hoe "fampihorohoroana" dia matetika ilazana ny mpanohitra ara-pôlitika manakiana. Miampy an' izany koa ireo fanjakana izay manao fampihorohoroam-panjakana.

Na izany aza, maro amin' ny fikambanana ara-pôlitika na mpanao heloka bevava no manao fampihorohoroana mba hampandrosoana ny fahazoany ny zavatra takîny na hahazoany tombony avy amin' izany. Manao asa fampihorohoroana ny antoko ao amin' ny elatra ankavia sy ankavanana, nasiônalista, mpivavaka na revôlisiônera, eny fa na dia ny fanjakana aza. Ny toetra tsy miova iraisan' ny fampihorohoroana dia ny fampiasana tsy an-kiato ny herisetra mahafaty olona sivily hampandrosoana vondrona, hahazoana ny zavatra takîna na olona, na hanaovana fanararaotana fakàna vola goavana (mafià, fikambanan' ny mpisera zava-mahadomelina, sns.).

Jereo koa hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.