Mpamaritra malala-kevitra

Ny mpamaritra malala-kevitra, ao amin' ny fitsipi-pitenenana, dia mpamaritra manambara toetra tsy azo antoka, tsy mazava, manjavozavo. Ny sokajin' ny mpamaritra malala-kevitra dia vondrona manjavozavo ny famaritana azy. Ny sasany amin' ny mpahay fitsipiteny dia lasa lavitra amin' ny fampifandraisana amin' ny mpamaritra malala-kevitra ny mpamaritra isa. Amin' ny sokajin' ny mpisolo, ny mifandraika amin' ny mpamaritra malala-kevitra dia mpisolo malala-kevitra.

Indreto ny mpamaritra malala-kevitra ao amin' ny fiteny frantsay: aucun (aucune, aucuns, aucunes), autre (autres), certain (certaine, certains, certaines), chaque, différent (différente, différents, différentes). divers (diverses), maint (mainte, maints, maintes), même (mêmes), nul (nulle, nuls, nulles), plusieurs, quelconque (quelconques), quelque (quelques), tel (telle, tels, telles), tout (toute, tous, toutes). Indreto ny mpamaritra malala-kevitra ao amin' ny fiteny anglisy: all, many, several, every, each, no, another, other, a lot of, a bit of, some.

Jereo koa

hanova