Mongabay
Ny Mongabay dia vavahadin-tranonkalam-baovao amerikana momba ny fiarovana ny zavaboary izay mitatitra momba ny siansa mahakasika ny tontolo iainana sy ny angovo ary ny endrika maitso, ary manasongadina fampahalalana betsaka momba ny ala trôpikaly, anisan' izany ny sary sy ny antontan' isa momba ny fandripahana ala ho an' ny firenena eran-tany.
Izy io dia naorin' ny mpahay toekarena Rhett Ayers Butler tamin' ny taona 1999 mba hampitomboana ny fahalianana sy ny fankasitrahana ny tany lavavolo sy ny biby, sady mandinika ny fiantraikan' ny fironana misy eo an-toerana sy manerantany amin' ny lafiny ara-teknôlôjia sy ara-toekarena ary ara-bola amin' ny fiarovana ny zavaboary sy ny fampandrosoana". Tao anatin' ny taona vitsivitsy izay, mba hamenoana ny ekipany any Etazonia,dia nanokatra birao any Indônezia sy any Amerika Latina ary any India ny Mongabay, manao tatitra isan' andro amin' ny teny indônezianina sy espaniôla ary anglisy. Misy amin' ny fiteny sivy ny tatitra ataon' ny Mongabay.
Nanazava ny mpanorina ilay tranonkala fa ny teny hoe "mongabay" dia avy amin' ny fanoratana sy fanononana nohangilisiana ny anaran' ny nosy Mangabe, nosy any amin' ny morontsirak' i Madagasikara. Notohizany tamin’ ny fanamarihany fa fantatra indrindra amin’ ny hoe fitahirizana (fiarovana) ny haihay, izay karazana gidro tsy fahita firy sy tsy mahazatra, malaza amin’ ny endriny hafahafa.