Mistery (kristianisma)

Ny mistery na zava-miafina na hevi-miafina ao amin' ny kristianisma dia zavatra mahakasika ny tantaran' ny famonjena, dia ny drafi-pamonjena, araka ny hevitr' Andriamanitra hatramin' ny mandrakizay, ary nambaran' i Jesoa Kristy. Ny Testamenta Vaovao, indrindra fa i Paoly, dia mampiasa ny teny hoe "zava-miafin' Andriamanitra" na "hevi-miafin' Andriamanitra" (Kôlôsianna 2:2) mba hilazana ny "tantara masina rehetra, hatramin' ny nahatongavan' i Kristy teto an-tany ka hatramin' ny parosia. Ny Filazantsara no fanambaràna an' ity mistery ity. Ny zava-miafina, ao amin' ny finoana kristiana, dia tsy izay tsy takatry ny saina, fa izay tsy haintsika ny hanapitra ny fahatakarana azy, ary tsy azo takarina amin' ny fomba tanteraka raha tsy amin' ny alalan' ny finoana.

Taty aoriana dia nandray io teny hoe mistery io ny Lovam-pampianarana mba hampiharana izany amin' ny sakramenta, toy ny mbola ataon' ny any Atsinanana: ny teny hoe "Mistery Masina" dia ampiasaina any Atsinanana mba hanondroana ny sakramenta, ary indrindra ny Eokaristia. Matetika koa no resahina ny misterin' ny Paska mba hanondroana ny fanavotana vokatry ny fahafatesan' i Kristy sy ny fitsanganany tamin' ny maty.

Any amin' ny Tandrefana, ny teny grika hoe mysterion dia nadikan' ny Rain' ny Fiangonana Latina amin' ny teny latina hoe sacramentum.