Ny mazdeisma dia fiivavahana tao Iràna taloha izay mampianatra ny fifanoheran'ny foto-javatra roa, dia ny Tsara (na Ohrmazd) izay nahary an'izao tontolo izao, sy ny Ratsy (na Ahriman), izay miezaka hatrany ny hanimba ny zava-bitan'i Ohrmazd. Izany ady izany anefa tsy maintsy hifarana amin'ny faharesan'i Ahriman sy fandresen'i Ohrmazd. Ny mazdeisma no fivavahana ofisialin'ny fanjakana persiana tamin'ny andron'ny Akemenida sy Sasanida. Fanavaozana ny mazdeisma ny zoroastrisma, fivavahana naorin'i Zaratostra na Zoroastra. Endrika monoteistan'ny mazdeisma ny zoroastrisma izay mbola misy mpanaraka amin'izao fotoana izao.

Jereo koa: hanova