Firenena Baltika

(tonga teto avy amin'ny Firenena Balta)

Ny Firenena Baltika na Firenena Balta dia ireo firenena telo ao atsinanan' ny Ranomasina Baltika: i Estônia sy i Letônia (na Latvia) ary i Litoania.

Estônia sy Letônia ary Litoania

Manana velaran-tany mirefy 175 000 km2 ireo Firenena Balta, sady misy mponina miisa 6 826 000. Hodidinin' ny Ranomasina Baktika ao andrefana izy ireo sady mitambatra sisin-tany amin' i Rosia sy i Bielôrosia ary i Pôlônia. Ny Ôblastan' i Kaliningrad, Königsberg alemaina taloha, izay eo anelanelan' i Litoania sy i Pôlônia, dia an' i Rosia. Tsy dia mikintoana firy ny vohon' ny tany ao amin' ity faritra ity, izay ahitana farihy sy kamory etsy sy eroa, indrindra ao avaratra, ary misy havoana ny ao Litoania.

Tsy miteny balta avokoa ireo firenena telo ireo: i Estônia dia miteny finô-ogriana (fiteny estôniana) fa tsy miteny balta (ny fiteny litoaniana sy letôna na latviana izay zaba-bondron' ny fiteny indô-eorôpeana).

Ireo firenena balta

Jereo koa hanova