Fiteny litoanianina

fiteny
(tonga teto avy amin'ny Fiteny litoaniana)
Litoanianina
lietuvių kalba

Isan'ny mpiteny 3,2 tapitrisa
Faritany Teny ofisialy ao  Litoania ary ao amin'ny  Vondrona Eoropeana, tenim-paritra any Polonia; ahitana mpiteny litoanianina ihany koa any Rosia ary any Letônia
Sata  Litoania (teny ofisialy)
 Vondrona Eoropeana (teny ofisialy)
 Polonia (tenim-paritra)


Ny fiteny litoanianina dia teny ibeazan' ny vahoaka litoanianina. Io fiteny io dia manana sata ôfisialy any Litoania ary amin' ny Vondrona Eorôpeana. Ny isan' ny Litoanianina mampiasa ny fiteny litoanianina ho fiteny nibeazana dia eo amin' ny 2,9 tapitrisa ao Litoania ary 3 hetsy any ivelany. Ny fiteny litoanianina dia akaikin' ny fiteny letôna, na dia tsy mifankahazo aza ny mpitenin' ireo teny roa ireo. Soratana amin' ny alalan' ny abidy latina ny fiteny litoanianina. Ny mahasamihafa ny fiteny litoanianina amin' ny fiteny eorôpeanina ankehitriny dia izy io manana endrika mifanakaiky amin' ny fiteny prôtô-indô-eorôpeana, endrika very ao amin' ny fiteny indô-eorôpeana sasany. Ny fiteny litoanianina dia anisan' ny fiteny balta atsinanana izay ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana.

Jereo koa

hanova