Alimo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Metaly
(Tsy misy mahasamihafa)

Endrik'io pejy io tamin'ny 19 Jolay 2019 à 14:13

Ny alimo dia metaly maro taharo vokatry ny fanatsonihana miaraka ny varahina amin'ny metaly hafa. Amin'ny heviny tery kokoa dia iantsoana ny fanakambanana ny varahina sy ny firapotsy. Amin'ny ankapobeny dia ny 54%n'ny taharon'ny alimo dia varahina (izay mety hiakatra hatrany amin'ny 95%) ary ny sisa dia mety ho firapotsy na alominioma, firaka, berilioma, manganezy ary tongstena, ary mety hahitana koa silisioma sy fosforo, ny fanitso ihany no tsy atao be. Mananana toetra mampiavaka azy ny alimo, dia ny izy ela tonta, tsy moramora laninan'ny asidra sady afaka mampita aratra tsara. Ampiasaina matetika hanaovana fitaovam-pifampikasohana amin'ny tsý ny alimo. Ny fihinananan'ny asidra ny alimo dia sakana lehibe amin'ny fampisana azy amin'ny sehatry ny fifamoivoizana an-dranomasina sy amin'ny taozava-baventin'ny fanamboarana sambo.