KwaZulu-Natal
I KwaZulu-Natal, izay fantatra amin' ny hoe KZN, dia faritany ao Afrika Atsimo. Izy no fitambaran' ny faritanin' i Natal teo aloha amin' i Zulu Bantustan ao KwaZulu. Faritany faharoa be mponina indrindra ao Afrika Atsimo (izay misy mponina 11,1 tapitrisa eo ho eo tamin' ny taona 2016), i KZN izay nomena anaram-bosotra hoe "faritany zaridaina” sady ny ankamaroan' izy ireo dia Zolo. Manomboka any amin'y sisin-tanin' i Esoatiny sy Môzambika ka hatrany East Cape any atsimo ity faritany ity. Ny afovoan-tanin' i KZN dia manamorona an' i Lesôtô sy ireo faritanin' i Free State ary ny an' i Mpumalanga. Mbola misy fanjakam-pabnjaka zolo ny ao amin' ilay faritany.
Fiavian' ilay anarana
hanovaNy anarana hoe KwaZulu-Natal dia fanampiana ny hoe KwaZulu, izay midika hoe "tanin' ny Zolo" na "toerana misy ny vahoaky ny lanitra", sy ny hoe Natal, izay anarana nomen' i Vasco da Gama ho an' ity faritr' izao tontolo izao ity izay mpitety ranomasina ka nandeha sambo lavitry ny morontsiraka nandritra ny fotoan' ny Nôely na Krismasy tamin' ny taona 1497.
Jeôgrafia
hanovaNy Tangoron-tendrombohitra Drakensberg (izay midika hoe "Tendrombohitry ny Dragona" amin' ny teny afrikansa), na uKhahlamba amin' ny teny zolo, dia mamakivaky an' ilay faritra. Ny valan-javaboary, voasokajy ao amin' ny Lisitry ny Lova Maneran-Tanin' ny UNESCO, dia miaro ny karazam-biby, ny karazan-javamaniry ary ny sisa tavela arkeôlôjika ao amin' ilay faritra. Ny iray amin' ny endri-paritra tsara tarehy indrindra any faritra dia azo antoka fa i Drakensberg-amfiteater. Ity faritany ity koa dia manana ny tahirin-javaboary malazan' i Hluhluwe-Umfolozi.
Ny tanàna lehibe ao
hanovaI Durban sy i Pietermaritzburg no foibe an-tanàn-dehibe ao amin' ilay faritany. Ny tanàna malaza hafa dia i Empangeni, i Kokstad, i Ladysmith, i Newcastle, i Port Shepstone, i Richards Bay, i KwaDukuza, i Tongaat, i Ulundi, ary i Vryheid.