Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro

Katedraly anglikana ao Antananarivo

Ny Katedraly Santa Laurent dia katedraly voalohany naorin'ny fiangonana anglikana ao Madagasikara[1]. Ity trano fivavahana ity dia naorina teny amin' ny faritra avon' Antananarivo, eo amin' ny ny havoana iray antsoina hoe Ambohimanoro, toerana akaiky ny kianjan' Andohalo[2],[3],[4]. Izy io no katedralin' ny Diosesin' Antananarivo amin' izao fotoana izao. Efa voasokajy ho vakoka manan-tantaran' ny firenena malagasy ihany koa izy ity ankehitriny [5].

Ny Katedraly Santa Laurent Ambohimanoro

Tantara hanova

Ny tantaran' ity fiangonana ity dia tsy azo sarahana amin' ny tantaran' ny finoana anglikana eto Madagasikara[6]. Ny asa fitoriana nataon' ny misiôna anglikana dia nanomboka nandritra ny fitondran' ny mpanjaka Radama II, "Society for the Propagation of the Gospel" (SPG) sy ny "Church Missionary Society"(CMS)[7],[8]. Taona vitsy taty aoriana dia naniraka ny eveka voalohany hiasa teto Madagasikara ny SPG[9]. Mgr Robert Kestell Cornish dia tonga tao Toamasina tamin' ny Ôktôbra 1874, ary dia nihazo avy hatrany an' Antananarivo niaraka tamin' ny misiônera namany fotoana kely taorian' izay[10]. Tamin' ny fahatongavany teto Antananarivo dia nanatanteraka fitsidihana ara-panajana ny mpanjakavavy Ranavalona II izy ireo, ary nanolotra fanomezana ho azy dia Baiboly sy ny boky fivavahana avy tamin' ny arsevekan' i Kanterboria tamin' izany fotoana izany, dia i Archibald Tait. Ny finoana anglikana moa dia nanana toerana fivavahana iray niorina teo Ambatomasina, toerana akaikin' ny misy ny katedraly ankehitriny. Nony taty aoriana anefa dia tsy antonona ny mpino ilay izy, koa dia tapa-kevitra ary fa hanorina ny trano fiangonana lehibe kokoa. Ny asa fanorenana dia nanomboka taorian' ny fametrahana ny vato fehizoro nataon' ny Praiministra Rainilaiarivony, ary natrehin'ny Mgr Kestell Cornish, ny 13 Septambra 1883[1]. Vita soamantsara ilay trano fiangonana enin-taona taty aoriana, ka dia notokanana tamin' ny 17 Aogositra 1889, ary natrehin' ny Praiministra Rainilaiarivony, izay nisolo tena ny mpanjakavavy, sy ny vice-consul-n' ny fanjakana Anglisy dia i W. Clayton Pickersgill, ary koa olo-manan-kaja hafa avy teto an-toerana sy avy any ivelany[11].Hatramin' izao dia miisa folo ireo izay efa nifandimby nipetraka teo amin' ny seza fiketrahan' ny eveka tato amin' ity katedraly ity[10]:

  • 1874 – 1896 : Robert Kestell-Cornish[12]
  • 1899 – 1919 : George Lanchester King[13]
  • 1919 – 1925 : George Kestell-Cornish[14]
  • 1926 – 1940 : Ronald Stanhope Moore O'ferrall[15]
  • 1940 – 1950: Gerald Richard I Vernon[16]
  • 1952 – 1961 : Thomas Richards Parfitt[17]
  • 1961 – 1975 : Jean Marcel[18],[19]
  • 1976 – 1984 : Ephraim Randrianovona[20]
  • 1984 – 2005 : Remi Joseph Rabenirina[21]
  • Hatramin'ny taona 2008 : Ranarivelo Samoela Jaona[21],[22],[23]

Momba ny maritrano hanova

Ny asa fanorenana dia notanterahina araka ny hevitry ny mpanao maritrano anglisy William White, teo ambany fitarihan' ny injeniera nôrveziana Alfred Anker[1] [10][10]. Ny vatan-trano dia natao vato manontolo, ary miendrika lakroa, ary misy tilikambo miendrika valo-zoro amin' ny tendrony telo[1],[10],[5]. Ny tafo, izay vao nohavaozina tanteraka, dia natao tafo taila. Ny varavaran-kely vita amin' ny fitaratra maro loko, izay nohafarana avy tany Angletera ihany koa, dia vao nohavaozina ho tsangambaton' ny fankalazana ny jobily faha-120 taonan' ny fiangonana.

Jereo koa hanova

Tsiahy hanova

  1. 1,0 1,1 1,2 et 1,3 Haja Mampionona Hillarion RAJERISON, Études de la pierre de taille à travers les temples commémoratifs d'Antananarivo: essai d'ethnologie des techniques, Université d'Antananarivo- FLSH- Études culturelles- Madagascar,‎ , 95 p. (lire en ligne), p. 
  2. Circuit Antananarivo sur www.madagascarica.com. Novangiana tamin'ny 2016-05-29 Archived Mey 14, 2016 at the Wayback Machine
  3. Édifices religieux de la Haute ville - Madagascar-Tribune.com sur www.madagascar-tribune.com. Novangiana tamin'ny 2016-05-29 Archived Septambra 19, 2016 at the Wayback Machine
  4. Google Maps sur Google Maps. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  5. 5,0 et 5,1 Patrimoine / Les trésors du Patrimoine Architectural de Pierres d’Antananarivo sur http://www.macp.gov.mg/fr/tresors-patrimoine/. Novangiana tamin'ny 29 Mai 2016 Archived Aogositra 7, 2016 at the Wayback Machine "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2016-08-07. Retrieved 2016-06-12.
  6. Anglicanism in Madagascar sur anglicanhistory.org. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  7. Us | United Society | We are Us sur www.weareus.org.uk. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  8. Journal of a Tour of Exploration in the North of Madagascar sur anglicanhistory.org. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  9. The Discovery Service sur discovery.nationalarchives.gov.uk. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  10. 10,0 10,1 10,2 10,3 et 10,4 Razafiarivony Michel, La Cathédrale Anglicane Saint Laurent Ambohimanoro Antananarivo (lire en ligne Archived Aogositra 18, 2016 at the Wayback Machine)
  11. William Clayton Pickersgill, C.B.. W. Clayton Pickersgill, C.B. Mount Tamalpais Mortuary Cemetery, San Rafael, California. Photographs. sur tngenweb.org. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  12. The Discovery Service sur discovery.nationalarchives.gov.uk. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  13. E. O. McMahon, Christian missions in Madagascar, Society for the Propagation of the Gospel,‎ (lire en ligne)
  14. ((la))«New Bishop of Madagacar», The Times Thursday,‎ p. 11, article no 42268
  15. ((la))« Bishop Of Madagascar. The Rev. R. S. M. O'Ferrall Appointed », The Timesno Issue 44208; col F,‎ p. 14
  16. ((la))« Ecclesiastical News Bishop In Madagascar », The Timesno Issue 48596; col F,‎ p. 9
  17. ((la))« New Bishop In Madagascar », The Timesno Issue 52162; col D,‎ p. 6
  18. ((la))« New Dioceses In Madagascar », The Timesno Issue 57409; col E,‎ p. 15
  19. Daniel Ralibera, Madagascar et le christianisme, KARTHALA Editions,‎ , 518 p. (lire en ligne), page 395
  20. ((la))« New Dioceses In Madagascar », The Timesno Issue 57409; col E,‎ p. 15
  21. 21,0 et 21,1 madatana.com|Séminaire anglican d'Ambatoharanana, église anglicane d'Antananarivo sur madatana.com. Novangiana tamin'ny 2016-05-29
  22. Katedraly St Laurent Ambohimanoro sur cathedrale-anglicane-st-laurent.com. Novangiana tamin'ny 2016-05-29 Archived Febroary 13, 2017 at the Wayback Machine "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2017-02-13. Retrieved 2016-06-12.
  23. Diocese - Indian Ocean - Antananarivo sur www.anglicancommunion.org. Novangiana tamin'ny 2016-05-29

Rohy ivelany hanova