Ny Jafetita dia ny taranak’ i Jafeta, iray amin’ ny zanakalahin’ i Nôa telo ao amin’ ny Baiboly. Io teny io dia noraisina tamin' ny asa sotatra etnôlôjika sy araka haiteny nanomboka tamin' ny taonjato faha-18 ka hatramin' ny taonjato faha-20 saingy lasa lany andro.

Tamin' ny etnôgrafia tamin' ny Andro Antenatenany dia noheverina fa mizara vondrona telo lehibe izao tontolo izao, mifanandrify amin' ireo kôntinanta klasika telo: ny vahoaka semitika any Azia, ny vahoaka hamitika aty Afrika ary ny vahoaka jafetika any Eorôpa.

Io teny io dia nampiasaina tamin' ny andro môderina ho fanondroana amin' ny antrôpôlôjia fizika sy ny etnôgrafia ary ny haiteny mampitaha. Ao amin' ny antrôpôlôjia dia nampiasaina tamin' ny heviny ara-poko ho an' ny fotsy hoditra (ny firazanana kaokaziana). Ao amin' ny haiteny dia nampiasaina hanondroana ilay atsoina ankehitriny hoe "fiteny indô-eorôpeana" izy io. Ireo fampiasana ilay teny ireo dia efa lany andro ankehitriny. Amin’ ny heviny ara-kaiteny, ny vahoaka semitika ihany no mahaforona fianakaviam-piteny voafaritra mazava. Ny vondrona indô-eorôpeana dia tsy antsoina intsony amin' ny anarana hoe "jafetita", ary ny vondrona hamitika dia fantatra ankehitriny ho sampana ao anatin' ny fianakaviam-piteny afrô-aziatika.

Matetika no heverina ho razamben’ ny fokon' i Gôga sy Magôga i Jafeta, eo amin’ ny mpahay tantara mozilmana, ary indraindray heverika koa ho razaùben' ny Tiorka sy ny Kazara ary ny Slavy.

Jereo koa hanova