Izao rehetra izao dia ny fitambaran' ny zava-drehetra misy, voafaritra amin' ny alalan' ny fandinihana ara-tsiansa sy araka ny lalàna fizika.

Sary azon' ny Teleskôpy Hubble

Mikatsaka ny hahatakatra izao rehetra izao amin' ny fomba fijery siantifika ny kôsmôlôjia, toy ny matiera sy ny angovo rehetra izay mitsinjara amin' ny habaka-fotoana. Mikendry ny hametraka teôria momba ny famoronana na ny fiforonan' izao rehetra izao ambonin' ny fototra ara-pilôzôfia na ara-pinoana kosa ny kôsmôgônia kosa. Tsy manakana ny mpahay fizika maro hanana fiheverana finalista momba an' izao rehetra izao ny fahasamihafan' ireo famaritana roa ireo (jereo ny ainga fototra antrôpika momba ity lohahevitra ity).

Raha tiana ny hampifanaraka ny hetsiky ny galaksia amin' ny lalàna fizika araka ny fahatakarana azy ireo amin' izao fotoana izao, dia azo heverina fa tsy azo atao ny miditra amin' ny alalan' ny fanandramana afa-tsy amin' ny ampahany kely amin' ny matieran' ny Kôsmôsy, fitambarana matiera mainty ny ambiny. Fanampin' izany, mba hanazavana ny fihafainganan' ny fiitaran' izao rehetra izao, dia tsy maintsy ampidirina ihany koa ny voan-kevitra momba ny angovo maizina. Môdely hafa maro no naroso mba hifanaraka amin' ny fampimirana sy ny fandinihana amin' ny alalan' ny fomba fiasa hafa.