Ny isa aljebrika, amin' ny matematika, dia isa voatsapa na isa haro izay vahan' ny fampimirana maromiantoana manana lanjanisa avy amin' ny vondron' ny isa voasaina (izany hoe fakan' ny maromiantoana tsy aotra misy misy lanjan' isa voasaina).

Ny isa tsimivaky sy voasaina dia isa aljebrika, toy izany koa ny fakan' ny isa rehetra. Ny isa voatsapa na isa haro izay tsy aljebrika, toy ny π sy e (teôrema Lindemann-Weierstrass), dia antsoina hoe isa mihoadraha. Ny fandalinana ireo isa ireo, ny marpmiantoan' izy ireo kely indrindra ary ny vondrona izay misy azy ireo dia ampahany amin' ny teôrian' i Galois.

Ohatra:

  • Ny isa vosaina, inona na inona, dia aljebrika, satria vahan' ny fampimirana x - a = 0.
  • Ny isa tsivoasaina dia mety ho aljebrika na tsia. Ohatra, ny √2 na (3√3)/2 dia aljebrika (satria vaha ao amin' ny x2 - 2 = 0 sy 8x3 - 3 = 0 tsirairay avy), fa ny isa e dia mihoadraha (izany hoe tsy aljebrika).
  • Ny isa i dia aljebrika satria io no vaha ao amin' ny fampimirana x2 + 1 = 0.
  • Le nombre π + i dia mihoadraha nefa tsy fanratra ny toetran' ny π + e.

Jereo koa

hanova