I Ifriqiya, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe al-Maghrib al-Adna, dia faritra manan-tantara tamin' ny Andro Antenatenany ahitana an' i Tonizia ankehitriny sy atsinanana amin' i Alzeria, ary i Tripôlitania (ny tapany andrefan' i Libia). Amin' ny teny arabo dia atao hoe إفريقية / Ifrīqya izay midika hoe "Afrika", na المغرب الأدنى / al-Maghrib al-Adna, i Ifriqiya. Tafiditra tao anatin’ izany avokoa ny faritany rômanan' i Afrika teo aloha ary niitatra tany an-dafin’ izany, fa tsy nahitana an’ i Mauretania.

Ny faritany rômanan' i Afrika (mena) izay mifanandrify amin' i Ifriqiya sy niavian' ny anarany

Any atsimo, i Ifriqiya dia voafehin' ny tany somary maina sy heniheny masira antsoina hoe el-Djerid. Niovaova ny sisin-tany avaratra, hatrany Sicilia ka hatrany amin’ ny morontsirak’ i Afrika Avaratra, ary matetika no tonga tany Béjaïa ny sisin-tany andrefana. I Kartagô no renivohitra vetivety, avy eo i Qayrawan (Kairouan), avy eo i Mahdia, avy eo i Tunis. Ny Aglabida, avy ao amin' ny tobiny ao Kairouan, dia nanomboka ny nani-bohitra ny tapany atsimo amin' i Italia nanomboka tamin' ny taona 827, ary nanangana ny Emiratan' i Sicilia, izay naharitra mandra-pandresen' ny Nôrmana azy, sy ny Emiratan' i Bari.