Ny nikôlaisma dia antokom-pivavahana kristiana resahina ao ao amin' ny Apôkalipsin' i Joany (na Fanambaràna) ao amin' ny Testamenta Vaovao, ao amin' ny Baiboly kristiana. Ny mpikambana ao aminy dia atao hoe Nikôlaita. Noheverin' ny Fiangonana ho mpanao fampianaran-diso (heretika) izany firehana izany. Araka ny Apôkalipsy 2.6 sy 2.15 dia fantatra tao amin' ny tanànan' i Efesôsy (na Efezy na Efeso) sy tany Pergamôsy (na Pergamo) izy ireo.

Noderaina ny fiangonan' i Efesôsy noho ny fankahalany ny Nikôlaita ("Kanefa izao no toetranao: halanao ny asan' ny Nikolaita, izay halako koa." -- Apô 2.6), ary nisy fanamarihana momba ny fiangonan' i Pergamposy izay nisy nanaraka ny nikôlaisma: "Ary toy izany koa, misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran' ny Nikolaita tahaka ny an' ireny." -- Apô 2.15)

Jereo koa hanova