Heloka bevava
Ny heloka bevava dia fandikan-dalàna lehibe indrindra. Ao amin' ny fanaovan-dalàna amin' ny ankapobeny dia fihetsika heverina ho tsy rariny sady anokanany sazy sahaza azy izany. Ny kriminôlôjia no seha-pandalinana mikatsaka ny famaritana ny heloka bevava. Kriminalistika no iantsoana ny fahalalan' ny pôlisy ikendrena ny hahitana ny olo-meloka.
Ao amin' ny fanasokajiana ataon' ny lalàna frantsay, izay ampiasaina amin' ny ankamaroan' ny rafi-dalàna eorôpeana momba ny heloka bevava, dia endrika fandikan-dalàna henjana indrindra ny heloka bevava, ka amin' io lafiny io izy dia miavaka amin' ny heloka tsotra sy fandikan-dalàna madinika, izay anasaziana ny fandikan-dalàna tsy dia lehibe loatra. Antsoina hoe heloka mahafaty ny heloka bevava saziana amin' ny fanamelohana ho faty.