Ny helenisma dia ny sivilizasiônan' i Grisia tamin' ny Andro Taloha manontolo sy tany amin' ny amin' ny faritra tsy an' ny Grika nefa nampitrana sy nandray ny kolontsaina sy ny sivilizasiôna grika taloha.

Raha heverina ny lafiny pôlitikan' ny helenisma dia tsy dia mazava loatra ny vanim-potoana ampiharana azy: tsy tena fantatra raha nanomboka tamin' ny fiakaran' i Aleksandra Lehibe teo amin' ny seza fiandrianana (taona 336 tal. J.K.), na tamin' ny nahafatesany (323 tal. J.K.). Ny fiafaran' ilay vanim-potoana dia vao mainka tsy mazava: ny ady tao Actium (taona 31 tal. J.K.) sa ny fahafatesan' i Aogosto (taona 14 taor. J.K.) ? Etsy an-danin4 izany dia toa azo antoka fa ny fandresen4 i Filipo II, rain4 i Aleksandra, tao Kerônea tamin' ny taona 338 tal. J.K. sy ny fandresen' i Aleksandra dia kihon-dalana lehibe teo amin' ny tantara ara-pôlitika tany Gresy fahiny.