Gôrilin-tendrombohitra

(tonga teto avy amin'ny Gorilin-tendrombohitra)

Ny gôrilin-tendrombohitra, izay atao hoe Gorilla beringei beringei, dia iray amin' ireo karazana gôrilin' ny Atsinanana (Gorilla beringei), izay hita ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe ao Afrika, izay tandindomim-paharinganana ankehitriny.

Gôrilin-tendrombohitra
Gôrily lahy manana lamosina milokon-bolafotsy

Mirefy eo anelanelan' ny 1,4 sy 2 m ny gôrilin-tendrombohitra. Ny lahy dia mikanja 140 hatramin' ny 300 kg fa ny vavy kosa eo anelanelan' ny 70 sy 110 kg. Na dia ngeza aza ny gôrilin-tedrombohitra dia biby mahay miara-monina sady tsy tia ady. Miaina anaty fianakaviana anjakan' ny fampirafesana ny gôrilin-tendrombohitra, ary ny fianakavina tsirairay dia tarihin' ny lahy manana lamosina mivolon-bolafotsy: izy no lahin' ilay vondrona izay miaro ny fianakaviana manontolo amin' ny loza mety hiranga. Rehefa maty ity lahiny ity dia misolo azy ny lahiny be taona indrindra amin' ireo sisa; raha tsy izany dia rava izany vondrona izany. Raha rava ilay vondrona dia manatona vondrona sy lahiny hafa ny vavy rehetra ao.

Biby mpihinana ahitra ny gôrilin-tendrombohitra, ka mihinana lôbelia ngeza sy volotsangana, izay maniry betsaka ao amin' ny alan-tendrombohita, nefa koa mihinana seleria dia, amiana dia, voninkazo, hoditra vernônia, sy zavamaniry hafa koa. Mitady toerana ahitana zavamaniry betsaka izy amin' ny sakafony: haramin' ny 38 kg isan' andro ny lahy ary hatramin' ny 25 kg isan' andro ny vavy.

Ao amin' ny faritry ny Farihy Lehibe, izany hoe ao amin' ny tapany atsinanan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô (RDK) sy ao Oganda ary ao Roanda no ahitana azy ireo. Misy valan-javaboarim-pirenena vitsivitsy izay mamorona tambajotram-piarovana: ny valan-javaboarin' i Mgahinga (Oganda), ny Parc national des Volcans (Roanda) ary ny Parc national des Virunga (RDK) ary ao amin' ny valan-javaboary ao amin' ny ala mikitrok' i Bwindi (Oganda). Ny gorily ao amin' ny valan' i Kahuzi Biega, na dia manakaiky azy ireo aza, dia heverin' ny manam-pahaizana sasany ho tsy gorilin-tendrombohitra fa zana-karazana gôrily Atsinanana (Gorilla beringei graueri).

Jereo koa hanova