Farihy Lehibe (Afrika)
Ny Farihy Lehibe dia farihy maromaro mifampitohy ao Afrika Atsinanana. Ny firenena manamorona ireo farihy ireo no mitambatra ka manome ny atao hoe Afrikan' ny Farihy Lehibe, na Faritry ny Farihy Lehibe, dia tsy iza izany fa i Borondy, ny Repoblika Demokratikan' i Kongo, i Oganda ary i Roanda.
Ireto avy ny tena lehibe amin' ireo farihy ireo:
- ny Farihy Victoria (68 100 km2, 82 m ny lalina indrindra);
- ny Farihy Tanganyika (32 900 km2, 1 433 m);
- ny Farihy Malawi (30 900 km2, 706 m);
- ny Farihy Turkana (6 405 km2, 109 m);
- ny Farihy Rukwa (5 760 km2);
- ny Farihy Albert (5 270 km2, 51 m);
- ny Farihy Moero (5 120 km2, 27 m);
- ny Farihy Kivu (2 700 km2, 485 m);
- ny Farihy Édouard (2 150 km2, 117 m);
- ny Farihy Kyoga (1 720 km2, 5,7 m).
Ireto anefa ny firenena voakasin' ireo farihy ireo, izay tsy voatery ao amin' ilay faritra atao hoe Afrikan' ny Farihy Lehibe: ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, i Borondy, i Kenia, i Malaoy, i Mozambika, i Oganda, i Roanda, i Tanzania ary i Zambia.