Foko ao Indônezia

Ny foko ao Indônezia dia miisa 1 340 any ho any. Io isa io no mahatonga an' i Indônezia ho anisan' ny firenena ahitana kolontsaina maro isan-karazany indrindra eran-tany. Avy amin' ny razambe indôneziana tompontany ny 95 % amin' ireo (Pribumi).

Sary maneho ny lafiny maro amin' ny kolontsain' i Indoônezia sy mari-pamantarana indôneziana.

Ny vondrom-poko lehibe indrindra any Indônezia dia ny Javaney izay efa ho ny 40 % amin' ny fitambaran' ny mponina ao. Monina ao amin' ny nosy Java ny ankamaroan' ny Javaney fa olona an-tapitrisany no nifindra monina any amin' ny nosy hafa manerana ny vondronosy noho ny fandaharan' asa fifindra-monina any amin' ny nosy tsy nisy olona. Ny Sondaney, izay 15 % amin' ny mponina ao Indônezia, dia foko iray mitambatra fizaran-tany amin' ny Javaney, mipetraka any amin' ny tapany andrefan' i Java ny ankamaroan' ny Sondaney. Ny Maley, ny Batàka, ny Madorey, ny Betaoy ary ny Minangkabao no vondrona lehibe manarakaraka ao amin' ilay firenena. Vondrom-poko maro, indrindra any Kalimantan sy any amin' ny faritany Papua, no tsy misy afa-tsy olona an-jatony. Ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana ny ankamaroan' ny fiteny eo an-toerana, na dia betsaka ihany ny vahoaka mampiasa fiteny ao amin' ny vondrom-piteny papoa, indrindra fa any amin' ny nosy Maluku sy any Ginea Andrefana. Latsaky ny 1 % amin' ny fitambaran' ny mponina indôneziana ny Indôneziana sinoa (Tionghoa) araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2000. Miteny fiteny sinoa isan-karazany, indrindra fa ny fiteny hôkiena sy ny fiteny hakà, ny sasany amin' ireo Indôneziana manam-piaviana sinoa ireo.

Tsy hentitra ny fanasokajiana ny foko ao Indônezia ary amin' ny toe-javatra sasany dia tsy mazava noho ny fifindra-monina sy ny kolontsaina ary ny fiteny; ohatra, mety heverin' ny sasany ho mpikambana ao amin' ny foko javaney ny Ôsingy sy ny Tsirebôney, na izany aza, ny sasany kosa milaza fa foko samy hafa izy ireo satria samy manana ny fiteniny manokana. Mitovy amin' izany ihany koa ny Badoy izay tena zana-pokon' ny Sondaney nefa indraindray heverina ho foko misaraka. Ohatra iray amin' ny foko mifangaro ny Betaoy, tsy avy amin' ny fanambadian' ny olona samy hafa ao Indônezia ihany fa avy any ivelany ihany koa toa ny Arabo sy ny Sinoa ary ny Indiana mpifindra monina hatramin' ny andron' i Batavia faha fanjanahantany (Jakarta).