Mitraisma

(tonga teto avy amin'ny Fivavahana amin'i Mitra)

Ny mitraisma na fivavahana amin' i Mitra dia fivavahana misy zava-miafina, izay tokony niseho tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. tany Persia, ka i Mitra no andriamaniny. Rava ny fivavahana tamin' i Mitra tany Persia tamin'ny fiforonan' ny zôrôastrisma. Niroborobo io fivavahana io tao amin' ny Empira rômana tamin' ny taonjato voalohany hatramin'ny faha-4 taor. J.K. Mampiady hevitra ny mpikaroka momba ny fivavahana ny fifandraisan' ny fivavahana amin' i Mitra tao Persia sy ny tao amin' ny Empira Rômana. Nahatratra ny fara tampon' ny lazany ny mitraisma tamin' ny taonjato faha-3. Ireo miaramila rômana no tena mpitia ny fivavahana amin' i Mitra.

Ny mitraisma dia nisy akony teo amin' ny fivoaranan' ny manikeisma izay nifaninana fatratra tamin' ny fivavahana kristiana.

Tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-4 dia nanenjika sy nanafoana ny fivavahana hafa tsy ny kristianisma ny emperora Teôdôsio I. Ny didim-panjakana iray nivoaka tamin' ny taona 391 dia nampandrava na nanova ho fiangonana kristiana ny tempoly tsy kristiana maro ka rava noho izany ny mitraisma.

Jereo koa hanova

Fivavahana iraniana hanova