Ny iazdanisma dia teny entin'ny mpikaroka eny amin'ny oniversite anondroana ny fivavahana monoteista taloha izay manao fanompoam-pivavahana amin'ny anjely (iazdâny), izay nataon'ny Korda talohan'ny niitaran'ny tany fehezin'ny Arabo tamin'ny taonjato faha-7 sy ny fanovana azy ireo ho amin'ny finoana silamo. Atao hoe "iazdanita' ny mpanaraka io fivavahana io. Ny iazdanisma dia mino ny fahaterahan'ny zavamananaina indray miaraka amin'ny fanahin'ny zavamananaina hafa efa maty taloha, sahala amin'ny hindoisma, ary misy anjely fito izay inoany fa miaro an'izao tontolo izao amin'ny devoly na demony fito.

Heverina fa ny ampahatelon'ny mponina ao Kordistàna dia manaraka ny iazdanisma. Ankehitriny dia heverina ho isan'ny firehan'ny finoana silamo ny iazdanisma (tsy isany ny iezidisma, izay sampan'ny iazdanisma), satria manatanteraka takia (fanao anafenana ny fioany mba hialana amin'ny fanenjehana) sy fombam-pivavahana miozolmàna sasantsasany. Tsikerain'ny Miozolmàna anefa izy ireo satria heveriny fa manatanteraka izany fombam-pivavahana izany ho fomba ivelambelany fotsiny ary ny fototry ny finoany dia tsy miozolmàna.

Jereo koa hanova

Fivavahana iraniana hanova