Fiteny tirseniana
Ny fiteny tirseniana na fiteny tireniana dia fianakaviam-piteny, araka ny petra-kevitry ny mpahay teny Helmut Rix tamin' ny taona 1998. Ity fianakaviana ity dia ahitana fiteny telo efa lany tamingana farafahakeliny tany amin' ny Andro Taloha ary mandra-panohanana io petra-kevitra io dia noheverina ho fiteny manirery ireo fiteny ireo:
- ny fiteny etroska tany afovoan' i Italia, indrindra fa tany Toscana, tany Latium, tany Umbria, tany atsinanana sy ampahany amin' ny atsimon' i Corsica.
- ny fiteny retika any atsinanana amin' i Alpes, any Retia fahiny;
- ary ny fiteny lemniana, izay voamarina tao amin' ny nosy grkan' i Lemnos, any avaratra-atsinanana amin' ny Ranomasina Egea.
Ny fiteny tirseniana dia heverina ho nisy talohan' ny fiteny indô-eorôpeana sy ny fiteny paleô-eorôpeana.