Fiteny kmera

(tonga teto avy amin'ny Fiteny kimera)
Fiteny kmera
ភាសាខ្មែរ
[pʰiːəsaː kʰmaːe]

Isan'ny mpiteny 14,7 — 20,6 tapitrisa
Faritany  Kambodia,  Vietnam,  Tailandy

,  Etazonia ,  Frantsa, Aostralia

Sata  Kambodia (teny ofisialy)

Ny fiteny kmera dia fiteny voasokajy ao amin' ny fianankavian' ny fiteny môn-kmera ao amin' ny fiteny aostrô-aziatika. Any Kambôdia (Cambodge) sy manodidina izy no tenenina. Io fiteny io dia fiteny tsy manara-peo ohatra ny fitenin' ny firenena manodidina azy. Misy 13 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny mpiteny kimera.

Fanoratana ny fiteny kmera

hanova

Ny fiteny kmera dia mampiasa abidy azy manokana. Ny abidy kmera dia manana renifeo 33 sy zanapeo 23 (na 24 arakaraky ny mpanoratra). Fa mbola betsaka noho io ny isan' ny zanapeo; mba tsy ho betsaka ny isan' ny zanapeo, nahita fika iray ny mpamorona ilay abidy. Ny renifeo iray dia ao amin' ny sokajy roa, maivana na mavesatra. Raha ao amin' ny sokajy voalohany ny zanapeo iray, mamoaka feo manokana izy ary raha ampiaraha amin' ny zanapeo avy amin' ny sokajy faharoa izy, mamoaka feo hafa indray izy. Izany hoe, ny zanatsoratra dia manana fanononana roa (afa-tsy roa na telo mitazona ny feony).

Ny ankabeazan' ny renifeo (12) dia atao indroa (12x2=24) fa tsy izy rehetra (33-24=9). Misy tsindrim-peo ampiasaina mba hisolo sokajy ary izy io no afahana mandrakotra ny fahefana rehetra io fomba io.

Rehefa tsy misy zanapeo miaraka amin' ila renifeo, ny feo avoaka dia an' ilay zanapeo anaty (tsy soratana matetika). Ny renifeo maivana dia manana zanapeo anaty mitovy amin' ny /a/ ary ny renifeo mavesatra dia mamoaka zanapeo manakaiky ny /o/. Kanefa, tsy afaka ampiasaina irery ny zanapeo, tsy maintsy miaraka amina renifeo iray izy.

Miaraka amin'ny zanapeo anaty, manome 25 x 2 = zanapeo 50, mety ngeza be izany. Tsy mitovy amin'ny mpandinika teny ny dikan'ny zanapeo any amin'ny kimera. Ohatra : o fohy, o lava, o arahan'ny m, o arahan'ny h, o arahana fijanonana dia manao zanapeo dimy. Manana zanapeo misosona maromaro koa ilay fiteny.

Miampy amin'izany, ny abidy kimera koa dia manana zanapeo lazaina hoe malalaka, noho izany dia tsy voatery ampiarahana amina renifeo izy. Manana feom-baninteny manokana zareo ary tsy ao anatin'ny abidy. Mety ho voafafa izy ireo, ary efa nosoloina ny sasany amin'izy ireo. Mety fafana izy, fa etimôlôjika sy ara-tantara ny tombon-tsoany.

Ny ankabeazan'ny renifeo (afatsy ny ng) dia hita amin'ny fiteny frantsay na dia hoe tsy dia mitovy tsara aza ; kanefa ny fiteny frantsay sy ny fiteny malagasy dia manana feo tsy fantatra amin'ny fiteny kimera kanefa matetika ampiasaina amin'ireo fiteny ireo (ny f sy ny z ohatra).

Rehefa misy renifeo roa ny vaninteny iray, atao kely ny hangezan'ny renifeo faharoa azy lazaina hoe "renifeo tongotra" satria eo an-tongon'ny voalohany no misy azy.

Mety hita sarotra io fomba fanoratana io. Ny frantsay tamin'ny anivon'ny taonjato faha 20 efa nanandrana nanao abidy latina an'i fiteny kimera, fa tsy vitany no nandidy azy noho ny isan'ny zanapeo be loatra. Vitan'ny ankizy tsara no mampiasa io fanoratana io, dikan'izany, na dia misy hebakebaka aza, mety tsara ho an'ny fiteny kimera io fanoratana io.

Renifeo
Litera Feo Litera Feo litera feo litera feo litera feo
kɑɑ khɑɑ kɔɔ khɔɔ ŋɔɔ
cɑɑ chɑɑ cɔɔ chɔɔ ɲɔɔ
dɑɑ tɑɑ dɔɔ thɔɔ nɑɑ
tɑɑ thɑɑ tɔɔ thɔɔ nɔɔ
bɑɑ pɑɑ bɔɔ pɔɔ mɔɔ
jɔɔ rɔɔ lɔɔ vɔɔ
sɑɑ hɑɑ lɑɑ ʔɑɑ

Rafi-peo

hanova

Ny sistema ara-drafipro dia hosoratana eto arakaraka ny fanononana ilay fiteny, fa tsy hoe ahoana no manoratra azy amin'ny abidy kmera.

Feo sy fanononana

hanova

Renifeo

hanova
Eo amolotra Dental[1]/Alveolar Palatal Velar Glottal
Plosive p (pʰ) t (tʰ) c (cʰ) k (kʰ) ʔ
Implosive ɓ ~ b ɗ ~ d
Nasal m n ɲ ŋ
Liquid r l
Fricative s h
Approximant ʋ j

Zanapeo

hanova
Zanapeo kimera voalohany[2]
Lava ɛː ɨː əː ɔː
fohy i e ɨ ə ɐ a u o
Zanapeo misosona lava iə̯ ei̯ ɐe̯ ɨə̯ əɨ̯ ɐə̯ ao̯ uə̯ ou̯ ɔə̯
Zan. mis. fohy eə̯̆ uə̯̆ oə̯̆
Zanapeo kimera faharoa[3]
Lava e̝ː ɛː ɯː ə̝ː əː o̝ː ɔː
Fohy i e ɛ ɯ ə a u o ɔ
Zan. mis. lava iə̯ aɛ̯ aə̯ o̞u̯ ao̯
Zan. mis. fohy ɛə̯ ʷɔ

Ny tena isan'ny zanapeo ampiasaina dia miova arakaraka ny fiteny. Ny zanapeo lava sy fohy dia voavaka amin'ny halavany.

Rafitry ny vaninteny

hanova

Ny teny kmera dia matetika vita vaninteny iray na vaninteny iray sy tapany, ny tsindrim-peo dia tonga eo amin'ny vaninteny farany. Ny teny manana vaninteny iray sy tapany dia manana vaniteny roa amin'ny lafin'ny ara-drafi-peo, anatin'izany tranga izany, ny vaninteny voalohany dia afaka fantarina mialoha. Ny teny manana vaninteny roa dia matetina nindramiina, na vokatry ny fametrahana tsirinteny. Azo atombohana amin'ny iray amin'ny vondrona renifeo miroa 85 ny teny miaraka amin'ny fiovana ara-drafipeo manaraka :


p ɓ t ɗ c k ʔ m n ɲ ŋ j l r s h ʋ
p pʰt- - pʰc pʰk- - pʰn- pʰɲ- pʰŋ- pʰj- pʰl- pr- ps-
t tʰp- tʰk- - tʰm- tʰn- tʰŋ- tʰj- tʰl- tr- tʰʋ
c cʰp- cʰk- - cʰm- cʰn- cʰŋ- cʰl- cr- cʰʋ-
k kʰp- kʰt- - kʰc - kʰm- kʰn- kʰɲ- - kʰj- kʰl- kr- ks- kʰʋ-
s sp- st- - sk- - sm- sn- - - sl- sr-
ʔ ʔʋ-
m mt- - mc - mʰn- mʰɲ- ml- mr- ms- mh-
l lp- lk- - lm- - lh- -

Ny vaninteny dia manomboka amin'ireo renifeo na gropy renifeo ireo, arahan'ny zanapeo lohany. Ny fanatrohana anaty vondrona dia alôfônika. Rehefa fohy lny halava ny zanapeo lohany, misy renifeo famaranana izy.

Jereo koa

hanova

Rohy ivelany

hanova

Tsiahy

hanova
  1. "kopian'ny arisiva". Archived from the original on 2011-07-20. Retrieved 2010-02-15.
  2. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées SIDWELL
  3. Hadisoan-tsiahy: Balise <ref> incorrecte : aucun texte n’a été fourni pour les références nommées ELL