Fifohazam-panahy lehibe fahatelo

Ny fifohazam-panahy lehibe fahatelo dia vanimpotoana ara-tantara izay voamariky ny hetsika lehibe ara-pivavahana tao Etazonia, izay namboka tamin' ny taompolo 1850 ka hatramin' ireo taompolo voalohany tamin' ny taonjato faha-20. Atao hoe Third Great Awakening izany amin' ny teny anglisy. Nisy fiantraikany tamin' ireo antokom-piangonana prôtestanta pietista izany sady niteraka koa fihetsehetseham-pitakiana ara-piarahamonina izay namporisihin' ny finoana fa ny fiavian' i Kristy fanindroany dia hiseho aorian' ny fanavaozan' ny zanak' olombelona ny tany manontolo. Nisy fifandraisany amin' ny fihetsiketsehan' ny Filazantsara ara-piarahamonina (na fihetsiketseha' ny Evanjely sôsialy) izany, izay nampihatra ny kristianisma amin' ny resaka fiarahamonina (sôsialy) sady nandray ny heriny avy amin' ny fifohazam-panahy lehibe, sahala amin' ny hetsika misiônera prôtestanta maneran-tany.

Maro ireo vondrona ara-pivavahana izay teraka tamin' izany, ka isan' izany ny Hehetsiky ny Fanamasinana (1894) sy ny Siansa Kristiana (1879). Avy tamin' ny Hetsiky ny Fanamasinana no nipoiran' ny Fiangonan' ny Nazareana (1908) sy ny pentekôtisma (1906). Teraka koa ny Vavolombelon' i Jehovah, ny spiritoalisma, ny teôzôfia ary ny telema.

Ny fifohazam-panahin' i Ulster sy ny an' i Wales (Pays de Galles) (1859) sy ny fifohazam-panahy galoà (1904-1905) dia niseho nandritra izany fotoana izany, na dia tsy voakasiky ny fifohazam-panahy lehibe fahatelo mivantana aza ny Fanjakana Mitambatra, tsy tahaka izay ny zava-nitranga tamin' ireo fifohazam-panahy lehibe roa voalohany.

Tamin' izany vanimpotoana izany no nadraisan' ny antokom-piangonana prôtestanta amerikana ny fitakiana ara-môraly toy ny fanafoanana ny fanandevozana sy ny ady amin' ny fisotroan-toaka. Nametraka ny fototry ny Fanjakana miahy vahoaka izany sady nanome koa ny fototra ara-pilôzôfia sy ny tosika ara-pôlitika ho an' ny fanitsiana ara-piarahamonina tamin' ny taompolo 1930 sy 1940 ary 1950, ho an' ny fanitsiana ny lalàna sivika tamin' ny taompolo 1950 sy 1960, ary ho an' ny fanavaozana feminista tamin' ny fiafaran' ny taompolo 1960 sy fiandohan' ny taompolo 1970.

Jereo koa hanova