Ny pietisma dia hetsika na firehana ara-pivavahana prôtestanta naorin' i Philipp Jacob Spener (1635-1705), izay pastora loterana alzasiana nonina tao Frankfurt am Main (frantsay: Francfort-sur-le-Main) tao Alemaina, izay mihevitra ny fitiavam-bavaka ho zava-dehibe indrindra amin' ny fivavahana.

Tamin' ny taona 1670 dia nitsangana ny atao hoe collegia pietatis izay namaly ny hetahetan' ireo izay mitady fanajana amin' ny antsipiriany ny fanao momba ny fivavahana. Ao amin' ny boky nosoratany mitondra ny lohateny hoe Pia desideria tamin' ny taona 1685 dia nanantitra izy ny amin' ny filana ny fifantohan' ny tsirairay sy ny fihetsehampo ara-pivavahana izay heveriny fa tsara kokoa noho ny fahalalana ny antsipiriany amin' ny foto-pampianarana lazaina hoe marina (ôrtôdôksia) momba ny fivavahana. Ny Soratra Masina dia tsy fanangonam-pahalalana ihany fa loharanon'ny finoana indrindraindrindra. Nampiely ny pietisma manerana an' i Alemaina manontolo ny mpianatr' i Spencer toa an' i August Hermann Francke sy i Nikolaus Ludwig von Zizendorf.

Ny fahavitrihan' ny mpanaraka ny pietisma amin' ny asa famitana iraka (misiôna), indrindra avy tao Halle ary koa avy amin' ny Fiangonana Môraviana (angisy: Moravian Church) na Rahalahy Môrava (Frères moraves) dia nampisy akony ny pietisma teo amin' ny prôtestantima. Izany akony izany dia hita hatrany amin' ny fiainan' i John Wesley ny atao hoe fiovam-po sy tamin' ny fotoana nanombohan' ny Fifohazam-panahy prôtestanta miteny frantsay.

Isan' ny olona malaza tamin' ny fandraisana anjara amin' io hetsika io na nadray ny vokAtr' izany i Immanuel Kant sy i Gotthold Ephraim Lessing sy i Friedrich Hölderlin ary i Friedrich Schleiermacher.

Jereo koa hanova