Fifohazam-panahy lehibe fahefatra

Ny fifohazam-panahy lehibe fahefatra dia fifohazam-panahy kristiana izay heverin' ny mpikaroka, ndrindra ny mpahay tantara ara-toekarena Robert Fogel, izay nitranga tao Etazonia tamin' ny fiafaran' ireo taona 1960 sy tamin' ny fiantombohan' ireo taona 1970, fa ny mpikaroka hafa dia miompana amin' ny vanimpotona nanaraka ny Ady Lehibe Faharoa. Atao hoe Fourth Great Awakening izany amin' ny teny anglisy. Iadian-kevitra ny fampiasana io andian-teny hoe "fifohazam-panahy lehibe fahefatra" io, maro ireo mpahay tantara izay mihevitra fa ny fiovana ara-pivavahana izay nitranga tao Etazonia nandritra ireo taona ireo dia tsy mitovy lanja amin' ireo fifohazam-panahy lehibe telo teo aloha. Tsy ny mpahay tantara rehetra, noho izany, no manaiky io anarana io.

Na heverina ho "fifohazam-panahy" na tsia aza izany dia maro ny fiovana nitranga. Nihavitsy ny isan' ny mpino ao amin' ireo fiangonana prôtestanta lehibe izay nihena ako koa, fa ireo fiangonana mpitahiry ny rakitry ny ela, toy ny fiangonana Batista Tatsimo (Southern Baptist Convention) sy ny Fiangonana Loterana-Sinôdan' i Missouri (Lutheran Church–Missouri Synod) dia nitombo isa, niely manerana an' i Etazonia, nisehoan' ny ady ara-teôlôjia anatiny sy fivakisana, ary nanjary natanjaka teo amin' ny sehatra ara-pôlitika. Niely haingana koa ny fiangonana ara-pilazantsara sy fondamentalista sasany. Nandritra izany fotoana izany koa dia nihen-danja amin' ny fomba mahagaga ny lanjan' ny fivavahana teo amin' ny raharaham-panjakana sy teo amin' ny fiarahamonina, ary ireo fiangonana mpitahiry ny rakitry ny ela dia niady tamin' izany firehana izany tamin' ny lohahevitra momba ny zon' ny LGBT (Lesbian, Gay, Bisexual, Transgender) sy ny fanalan-jaza ary ny kreasiônisma.

Jereo koa hanova