Fifandraisan' ny jodaisma sy ny silamo

Ny fifandraisan' ny jodaisma sy ny silamo dia vokatry ny maha samy fivavahana abrahamika azy ireo sy ny tantaran' ireo fivavahana roa ireo izay nifampikasoka hatrany mandritra ny tantara. Fivavahana abrahamika sahala amin' ny jodaisma sy ny kristianisma ny finoana silamo.

Nanomboka tamin' ny taonjato faha-7 taor. J.K. tamin' ny nahaterahan' ny fivavahana silamo sy ny fielezany tao amin' ny Saikanosin' i Arabia izany fifandraisana izany. Samy mandala soatoavina sy hevitra fototra ary fitsipika mitovitovy ny jodaisma sy ny finoana silamo. Ataon' ny silamo ho ampahan-tantarany ny tantaran' ny jodaisma. Zava-dehibe amin' ny finoana silamo ilay fitenenana hoe "Zanak' i Israely".

Amin' ny silamo dia mpaminany lehibe i Mosesy (arabo: موسى / Musa) sady heveriny fa mpaminanin' ny finoana silamo no sady irak' Andriamanitra. Resahina matetika kokoa noho ny hafa rehetra i Mosesy ao amin' ny Kor'any ary tantaraina bebe kokoa noho ny an' ny mpaminany hafa ny fiainany. Resahina in-43 ny Israelita ao amin' ny Kor'any, ary matetika ao amin' ny Hadita maro.

Toy ny Kristiana sy ny Mozilmana koa dia ataon' ny fivavahana silamo hoe "Olon' ny Boky" (arabo: اهل الكتاب / ahl al-kitâb) ny Jiosy.

Maro ny zavatra itovian' ireo fivavahana roa ireo noho ny maha samy fivavahana abrahamika azy ireo, sy ny akon' ny filôzôfia silamo amin' ny vahoaka jiosy any amin' ny tontolo mozilmana. Nifampikasoka sy nisy zavatra nifampizarana ireo fivavahana roa ireo nandritra ny 1 400 taona, na ara-pôlitika izany, na ara-teôlôjia.

Tamin' ny fananganana ny Fanjakan' i Israely vaovao tamin' ny taona 1948 anefa dia niharatsy ny fifandraisana eo amin' ny Jiosy sy ny Mozilmana.

Jereo koa hanova