Fiangonana zandriny

Ny fiangonana zandriny, eto Madagasikara, dia ireo fiangonana kristiana niforona na tonga teto Madagasikara taorian' ny fiangonana tranainy.

Ireo fiangonana ireo dia teraka noho ny fialàny avy amin' ireo tranainy (matetika fiangonana prôtestanta) na avy amin' ny fikambanana kristiana nisy teo aloha (noho ny tsy fitoviam-pomba fandray ny Baiboly na ny antony hafa), na vokatry ny fisian' ny mpanorina fiangonana vaovao tsy nipoitra avy tamin' ireo fiangonana tranainy ireo. Matetika dia enti-manalefaka na manatsaratsara fitenenana ny hoe "fiangonana zandriny", mba tsy hapiasana ny hoe "sekta", nefa tsy hitovy ny zavatra tondroina amin' ireo teny roa ireo satria misy ny fiangonana lazaina hoe "sekta" izay efa nisy ela talohan' ny fiangonana "tsy sekta".

Ireo fiangonana lazaina hoe "zandriny" ireo dia tsy isan' ny lazaina na milaza tena hoe "fiangonan-dehibe" na "fiangonana ara-tantara", na "fiangonana mitana ny mahazatra" na "fiangonana zokiny" toy ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômanina, ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikara, ny Eklesia Episkopaly Malagasy, ny Fiangonana Ôrtôdôksa, ohatra. Eto Madagasikara ihany no mampiasa io andian-teny hoe "fiangonana zandriny" io ka tsy tena mazava tsara ny famaritana mety homen' ny olona azy. Noho izany dia maro ny fiangonana tsy manaiky ny hosokajina ho zandriny.

Jereo koa hanova

Loharano hanova