Fiangonana Evanjelika Shine

Ny Fiangonana Evanjelika Shine na Fiangonana Ara-Pilazantsara Shine dia fiangonana ara-pilazantsara niorina teto Madagasikara tamin'ny taona 2004. Mifandray amin'ireo fiangonana evanjelika any Afrika izy ka miezaka mampiroborobo ny evanjelisma eto Madagasikara. Efa ahitana io fiangonana io koa ny any Belzika sy Afrika Atsimo. Ny Pastora Patrick Andrianarivo sy ny Pastora Fara Andrianarivo vadiny no nanorina azy. Isan’ireo atao hoe fiangonana zandriny izay miasa ho an'ny fitorianana ny Filazantsara ho an'ny Malagasy izy, indrindra ho an'ny tanora monina an-tanan-dehibe.

Jereo koa: hanova

Rohy ivelany hanova