Fetin' ny Trinite

(tonga teto avy amin'ny Fetin'ny Trinite)

Ny Fetin' ny Trinite na Alahadin' ny Trinite dia fety ankalazana an' Andriamanitra tokana misy persôna telo (Trinite), dia ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.

Ny Ampingan' ny Trinite

Tao amin' ny Fiangonana voalohany dia tsy nisy fomba fivavahana manokana na andro manokana natokana ho an' ny Trinite Masina. Nefa rehefa niely ny arianisma (izay noheverina ho fampianaran-diso nataon' i Ariosy) dia nanomana fankalazana omban-kira fiderana sy hira ifamaliana, hira mialoha hotononina amin' ny Alahady ny Rain' ny Fiangonana.

Ankalazaina amin' ny Alahady voalohany aorian' ny Pentekôsta ny Fetin' ny Trinite ao amin' ny Fiangonana Tandrefana ary amin' ny Alahadin' ny Pentekôsta kosa ao amin' ny Fiangonana Tatsinanana[1].

Ankalazaina amin' ireo Fiangonana tandrefana rehetra ny Alahadin' ny Trinite, dia ny Fiangonana katôlika  ny Fiangonana anglikana[2], ny Fiangonana loterana[3], ny Fiangonana presbiteriana[4], ny Fiangonana Mirain' i Kristy[5] ary ny Fiangonana metôdista[6].

Fankalazana ao amin' ny Fiangonana tandrefana hanova

Ny taom-piangonana hanova

Isaina (asiana laharana) manomboka amin' ny Alahadin' ny Trinite ny Alahady rehetra manaraka ny Pentekôsta hatramin' ny Advento. Araka ny fanao nolovana ao amin' ny Fiangonana katôlika dia mifanindry amin' ny datin' ny Alahady voalohany aorian' ny Pentekôsta ny Alahadin' ny Trinite[7]. Ao amin' ny fombam-pivavahana rômana nasiam-panovana dia mitohy herinandro iray aloha ny fotoana tsotra, dia ny Alatsinainy manaraka ny Pentekôsta, sy ireo Alahady tafalatsaka amin' ny Pentekôsta ka ny Alahadin' ny Trinite dia dinganina amin' io taona io. Ao amin' ny Fiangonan' i Angletera, taorian' ny nampiasana ny fombam-pivavahana Sarum talohan' ny Fanavaozam-piangonana (na Refôrma), ny Alahady manaraka dia atao hoe "Alahady voalohany aorian' ny Trinite", fa ankehitriny ny Fiangonana episkôpalin' i Etazonia[8] dia manaraka ny fanaon' ny Katôlika, ka miantso izany hoe "Alahady faharoa aorian' ny Pentekôsta".  Ny fotsy no loko litorjika ampiasaina.

Ny fankalazana ny Trinite hanova

Ao amin' ny Fiangonana katôlika hanova

Atao hoe "Trinite Masina Indrindra" io fetin' ny Trinite io ao amin' ny Fiangonana katôlika. Talohan' ny Kônsily Vatikana II dia nanamarika ny fiafaran' ny fari-potoan' ny telo herinandro izay tsy azo anaovana fanamasinam-panambadiana ao am-piangonana izany. Ny fotsy no loko litorjika ampiasaina. Atao amin' io andro io ny Fiekem-pinoan' i Atanasio (na Atanazy), dia ilay atao amin' ny teny latina hoe Quicumque vult. Fetin' ny Vatan' i Kristy (latina: Corpus Christi) ny Alakamisy aorian' ny Alahadin' ny Trinite, nefa amin' ny faritra sasany toy ny any Etazonia sy Kanadà ary Espaina dia ankalazaina amin' ny Alahady manaraka ny Vatan' i Kristy arakaraka ny fahalalahan' ny paroasiana hanatanteraka ny lamesa sy afaka hankalaza izany fety izany.

Ao amin' ny Fiangonana anglikana hanova

Ny fiekiem-pinoana atanaziana, na dia tsy dia ampiasain' ny Fiangonana anglikana aza, dia tononina ao amin' ny fiangonana anglikana sasany, indrindra ireo "Fiangonana ambony" (anglisy: High Church). Didian' ny Book of Common Prayer tamin' ny taona 1662 an' ny Fiangonan' i Angletera ny fampiasana azy amin' ny Alahady sasany aorian' ny fivavahana maraina, anisan' izany ny Alahadin' ny Trinite, ary hita koa amin' ny bokim-bavaka maro ao amin' ny fiangonana anglikana ankehitriny izany. Fety lehibe ao amin' ny Fiangonan' i Angletera ny Alahadin' ny Trinite sady anisan' ireo andro fety fito lehibe ao amin' ny Fiangonana episkôpaliana. Mitandrina ny fankalazana ny Vatan' i Kristy (Corpus Christi) amin' ny Alakamisy manaraka, na koa amin' ny Alahady manaraka, ny paroasy anglikana manaraka ny firehana anglô-katôlika, [9].

Ny Fiangonana metôdista hanova

Ankalazaina araka ny The Book of Worship for Church and Home (1965) ny Fetin' ny Trinite ao amin' ny Fiangonana metôdista[10].

Fiangonana tatsinanana hanova

Ao amin' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana sy ny Fiangonana katôlika tatsinanana, ny Alahadin' ny Pentekôsta dia antsoina hoe Alahadin' ny Trinite (ny Alahady manaraka ny Pentekôsta dia Alahadin' ny Olomasina). Atao hoe Alatsinainin' ny Fanahy Masina ny Alatsinainy manaraka ny Petekôsta, ary ny ampitson' io no Andro fahatelo amin' ny Trinite. Na dia tsy noraiketina ao amin' ny fanao tatsinanana aza ny loko litorjika (raha tokony ho izy dia misy ny loko natokana ho an' ny fety sy ny loko manjombona na loko ho an' ny Karemy), amin' ny fiangonana sasany dia ampiasaina ny maitso amin' ny Pentekôsta ary ny fotoana aorian' ny Pentekôsta.

Daty hanova

Anisan' ny fetim-piangonana miovaova daty ny Fetin' ny Trinite. Ny Alahady aorian' ny Pentekôsta sy herinandro valo aorian' ny Alahadin' ny Paska no Alahadin' ny Trinite. Ny 17 Mey (sahala ny tamin' ny taona 1818 sy ny ho amin' ny taona 2285) no daty akaiky indrindra mety ankalazana ny Fetin' ny Trinite. Ny 20 Jona (sahala ny tamin' ny taona 1943 sy ny ho amin' ny taona 2038) no daty tratra aoriana indrindra mety hanaovana io fankalazana io.

Tantsinanana Tandrefana
2014 15 Jona 8 Jona
2015 31 Mey 31 Mey
2016 22 Mey 19 Jona
2017 11 Jona 4 Jona
2018 27 Mey 27 Mey
2019 16 Jona 16 Jona
2020 7 Jona 7 Jona
2021 30 Mey 20 Jona

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. "Christianity: The Trinity". BBC. BBC. Notsidihina tamin'ny 20/05/2016.
  2. "Trinity Sunday in United Kingdom", Time and Date
  3. "Questions and answers about Trinity Sunday", St. Paul's Lutheran Church, Kingsville Archived 2013-06-17 at the Wayback Machine.
  4. "Trinity Sunday", Presbyterian Mission Agency
  5. "Trinity Sunday", UCC Worship Ways,
  6. "Trinity Sunday/First Sunday after Pentecost" Archived Septambra 2, 2016 at the Wayback Machine. United Methodist Church Discipleship Ministries. Retrieved 17 March2016.
  7. "Solemnity of the Most Holy Trinity", Directory on Popular Piety and the Liturgy, §157, Vatican City, 17 December 2001
  8. "First Sunday after Pentecost: Trinity Sunday", The Lectionary Page
  9. http://anglicansonline.org/ [Tahiry] Notsidihina 13/06/2017
  10. The Book of Worship for Church and Home: With Orders of Worship, Services for the Administration of the Sacraments and Other Aids to Worship According to the Usages of the Methodist Church. Methodist Publishing House. 1964. p. 131. Notsidihina tamin'ny 25/03/2017.