Fanatrehana amin' ny toerana rehetra

Ny fanatrehana amin' ny toerana rehetra dia ny fahafahana manatrika na aiza na aiza, na amin' ny toerana maromaro miaraka. Ny andian-teny hoe "fanatrehana amin' ny toerana rehetra" dia matetika ampiasaina amin' ny toe-javatra ara-pivavahana izay iheverana izany ho toetran' ny andriamanitra na ny zavamananaina avo indrindra.

Ny fiheverana ny fanatrehan' zavamananaina avo indrindra amin' ny toerana rehetra dia samy hafa ao amin' ny fivavahana samihafa. Amin' ny fivavahana mônôteista toy ny kristianisma sy ny jodaisma dia misaraka Andriamanitra sy izao rehetra izao, nefa manatrika amin' ny toerana rehetra Andriamanitra. Ao amin' ny finoana panteista dia mitovy Andriamanitra sy izao rehetra izao. Ao amin' ny finoana panenteista, Andriamanitra dia miditra amin' izao rehetra izao, nefa manitatra mihoatra izany amin' ny fotoana sy amin' ny habaka.