Fôrtona (andriamanibavy)

I Fôrtona dia andriamanibavin' ny harena ny vintana tsara ao amin' ny fivavahana rômana izay, nalaza hatrany nandritra ny Andro Antenatenany mandra-pahatongan' ny Renaissance, noho ny mpanoratra tamin' ny Andro Taloha atao hoe Boethius. Atao hoe Fortūna izy amin' ny teny latina, mitovy amin' ny andriamanibavy grika Tike)

Fôrtona

Mbola zava-dehibe amin' ny lafiny maro amin' ny kolontsaina italiana amin' izao fotoana izao ny sariny voatampina maso, izay misy ny fifanoherana hoe fortuna / sfortuna (vintana tsara / vintana ratsy) mitana anjara toerana lehibe eo amin' ny fiainana ara-tsôsialy isan' andro, izay asehon' ny famerenana andininy tena mahazatra hoe "La [dea] fortuna è cieca" (latina: Fortuna caeca est; izay midika hoe "Jamba ny [andriamanibavy] vintana").

Matetika i Fôrtona dia aseho miaraka amin' ny gubernaculum (familian-tsambo), baolina na Rota Fortunae (kodiaran' ny harena, noresahin' i Cicero voalohany) sy cornucopia ("tandroka feno"). Mety hitondra vintana tsara na ratsy izy: azo aseho ho misaron-doha sy jamba, toy ny sary momba an-Ramatoa Rariny, afa-tsy i Fôrtona tsy mihazona mizana.

I Fôrtona dia tonga haneho ny fahasamihafan' ny fiainana. Andriamanitry ny anjara tsy azo ialana ihany koa izy: amin' ny maha Atrox Fortuna azy dia nitaky ny fiainan' i Gaius and Lucius izay samy zafikelin' i Aogosto, ho mpandova ny Empira izy. (Antsoina hoe Automatia koa izy tamin’ ny Andro Taloha)