Evanjely grikan' ny Ejipsiana

(tonga teto avy amin'ny Evanjely grikan' ny Egiptiana)

Ny Evanjely grikan' ny Ejipsiana na Filazantsara grikan' ny Egiptiana dia filazantsara apôkrifa very izay nohamarinin' ny tonon-tsiahy nataon' ny mpanoratra toa an' i Klemento avy any Aleksandria sy i Hipôlito, ary i Epifaniôsy, saingy tsy fantatra ny vontoatiny, afa-tsy ny sombiny vitsivitsy nangonin' i Klemento avy any Aleksandria. Ity asasoratra ity dia nataon' ny Kristiana voalohany, efa tamin' ny tapany voalohany amin' ny taonjato faha-2 angamba ny nisian' izy io. Atao hoe Ἑλληνικὸν Εὐαγγέλιον τῶν Αἰγυπτίων / Ellênikon Euangelion tôn Aiguptiôn izy amin' ny teny grika.